Hatramin’ny faran’ny volana janoary 2015, 1.087 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody famonoam-balala tamin’ny ady an-tanety Distrika Miandrivazo.

Mitohy hatrany ny asa famonoam-balala tanterahan’ny Minisiteran’ny Fambolena.Anisany faritra anaovana izany asa izany ankehitriny ny Faritra Menabe misy ny Distrikan’i Miandrivazo izay tanterahin’ireo ekipa CALAT (Cellule d’Appui pour la Lutte Anti-acridienne Terrestre)manao ny famoam-balala an-tanety.Marihina fa ny faritra manodidina ny fambolena no tena sahaniny.Hatramin’ny volana janoary 2015 ity mahatratra 1087ha ny velaran-tany voatondraka fanafody ao amin’ny manodidina an’i Miandrivazo ,faritra izay tena anisany betsaka ireo andian-kijeja ankehitriny. Misy ny vokatra azo tsapain-tanana araka izany.Etsy andaniny miezaka manohana sy manampy ireo tantsaha tra-pahavoazana ihany koa amin’ny alalan’ny fanomezana masomboly vary ny Minisiteran’ny Fambolena.CALAT2

Ankoatra ny ady an-tanety dia mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny ady an’habakabaka.Vokatry ny rotsak’orana hatramin’ny volana janoary 2015 iny;teo ny nandritra ny 10 andro voalohany ary ny faharoa nentin’ny rivo-doza Chedza tany amin’ny ilany andrefan’i Madagasikara manontolo teo anelanelan’DISTRIKA Antsalova sy ny DISTRIKA Ampanihy andrefana . Nitombo arak’izany ihany koa ireo zana-balala amin’izao taranaka faha-2 iainatsika izao.Faritra anisany tena nahitana andriam-balala ihany koa ny Faritra Menabe tao amin’ny DISTRIKA Belo AMORON’i Tsiribihana,Morondava ary Manja hatrany amin’ny tapan’ny Distrikan’i Betioky atsimo.

CALAT 4Nahitana andiam-balala hatrany amin’ny 120.000 ha tao anatin’ireo faritra voalaza ireo ka ny 80.000ha mahery amin’ireo dia efa voaharo sy voavono avokoa nandritra ny volana janoary 2015.Manodidina ny 34.200 ha ny velaran-tany nisy andiam-balala novoina tany amin’ny Faritra Menabe raha nahatratra 45.000ha kosa tao amin’ny Distrikan’Ampanihy andrefana sy Betioky atsimo .Ho an’ny faritra Miandrivazo dia mbola mitohy ny asa hatrany amin’ny faha-20 ‘ny volana febroary.

Raha faritra tena nahitana andiam-balala tamin’ny volana oktobra ka hatramin’ny volana desambra 2014 ny faritra Bongolava manontolo dia efa saiky voadio manodidina ny 90% izany nandritra ny tapany farany tamin’ny taona 2014.Ho an’ny Distrikan’i Manja izay efa niasana dia nahafatesana valala hatramin’ny velarantany 30.000ha raha tamin’ity taona 2015 ity.Tanjona kendrena ny hanampahana amin’ilay ady amin’ny andiam-balala lehibe izay mihatra amin’ny firenena ary hamerina indray ny fiaimpiainan’ny valala ho toy ny andavan’andro any amin’ny toerana fonenany any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

CALAT 5Source : SIC/Min-Agri

Date: 03 Février 2015

Comments are closed.