Ivontoerana RRT (Rural Rapid Transformation), Ifotaka Amboasary Atsimo, faritra Anosy, efa mandeha ny asa fampandrosoana.

06 Oktobra 2023. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Ivontoerana RRT na Rural Rapid Transformation, adika tsotra hoe Ivontoerana fampandrosoana haingana ny tontolo ambanivohitra, ao Fenoaivo Ifotaka, Amboasary. Fotoana notarihin’Andriamatoa RAMILISON Harifidy, Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, sy ny Minisitry ny Jono sy toe-karena manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, ny Solon-tena maharitry ny PAM eto Madagasikara, Ramatoa Pasqualina Di Sirio, ary ireo manam-pahefana sy manam-boninahitra isan-tsokajiny, avy ao an-toerana sy avy ao amin’ny Fitondram-panjakana.

Vahaolana mamaha haingana ny fahasahiranan’ny mponina ny RRT ary manova ny fari-piainana amin’ny fomba malaky. Anisan’ny tetikasa izay mamay mivantana ny fahavitan-tena aara-tsakafo.

Sehatra telo lehibe no ampifandraisina sy entina mampandroso ny maha-olona sy ny fari-piainan’ireo mponina amin’ny alalan’ny tetikasa RRT, dia ny rano, ny Sakafo ary ny angovo/ herinaratra.

Manodidina ny 25kw ny herinaratra vokarina ao an-toerana, izay ahafahana manao asa maro toy ny fanaovana soudure, multi-service, coiffure, fanodinana sakafo, ny milina fitotoana katsaka na mangahazo efitrano fampiharana ny hay tao ara-kajy mirindra na ny digitalisation, ny fambolena moderina mampiasa ny “goutte à goutte”, ary ahafahana manao ny voly “sous serre”.

Efa misy ihany koa ny rano ao an-toerana, izay hita fa manala fahasahiranana tokoa an’ireo mponina.

Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, sy ny PAM no nahatontosa ny tetikasa. Miisa 4 ny Ivontoerana RRT apetraka, ny 2 ao amin’ny Faritra Androy, ary ny 2 ao amin’ny Faritra Anosy.

Retour

Comments are closed.