Fizarana fitaovana ho an’ireo mpamokatra ronono

Mbola ambany ny tahan’ny fihinanana ronono eto Madagasikara ary miha-mihena ny famokarana maneran-tany ny ronono amin’izao fotoana izao. Antoka ho amin’ny fahasalamana anefa ny ronono, dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’ny tetikasa PROFILAIT/ MDB, izay tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa AFAFI-Centre izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, dia nisy ny fampitaovana an’ireo mpamokatra ronono mpanentana, ireo mpiompy, ireo mpamokatra masomboly vilona, ireo vondron’ny fikambanan’ny mpiompy ary ireo mpitazona ombilahy na mpampitombo tarakana, nataon’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE) tamin’ny alalan’ ny Malagasy Dairy Board (MDB) / tetikasa Profilait.

Tanjona amin’ny hetsika ny hanohanana ny famokarana ronono eto Madagasikara, ny hampivoarana izany seha-pihariana izany ary ihany koa ny hampiakarana ny tahan’ny vokatra sy ny fihinanana ronono, miantomboka any amin’ny fiompiana, ny famokarana sakafon’ny omby, ny famokarana ronono tsara kalitao, ny fanodinana ny vokatra ary ny famarotana.

Mpiompy manodidina ny 800 no nisitraka fitaovam-pamokarana (bidons, seau laitier, tamis, …), 52 ny kits ho an’ireo mpanentana (VTT, smartphone, gilet, combinaison, ruban zoomértique, thermomètre, pince mouchette) nozaraina, mpamokatra masomboly miisa 20 no nomena angadinomby, mizana ary vanneuse, 21 ny fikambanan’ny mpiompy nomena Planning circulaire ary miisa 4 ny logeurs nomena ombivavy be ronono taureau sy pie rouge norvégienne.

Ny zoma 28 jolay 2023, no nanolorana ireo fitaovana ireo teny Anosimasina Itaosy. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra Lefitra misahana ny Fiompiana, Dr RAYMOND sy ireo tompon’adraikitra avy ao amin’ ny MINAE, ireo solon-tena avy ao amin’ny mpiara-miombon’antoka, ary ny manam-pahefana isan-tsokajiny.

“Hanao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana, hoy Andriamatoa Minisitra lefitra misahana ny fiompiana, hampiakarana ny tahan’ny famokarana ronono sy ny fisotroan-dronono eto Madagasikara, hatsaraina ao anatin’izany ny kalitaon’ny ronono amin’ny alalan’ny fanatsarana ireo fitaovam-pamokarana, ny fampitaovana ireo mpanentana ny fampiroboroboana ny fiompiana, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknikan’ny mpiompy ary ny fanatsaràna ny taranak’omby amin’ny alalan’ny insemination”, hoy hatrany ny tenany.

Hohamafisina ihany koa moa ny fananan-tanin’ireo mpiompy amin’ny famokarana vilona atao sakafon’ny omby ao anatin’izany.

Retour

Comments are closed.