Fankalazana ny andron’ ny vilona 2023 ho an ny faritra Analamanga

« Vilona tsara, ronono tsara » izany no teny filamatra nandritra ny fankalazana ny andron’ ny vilona 2023 ho an ny faritra Analamanga izay notanterahin’ny MDB sy ny MINAE ary ny BACE tao amin’ny Fokontany Mahatsinjo Kaominina Anosy Avaratra ny zoma 16 jona 2023.

Natao izany hestika izany mba hanentanana ny tantsaha mpiompy amin’ny fambolena vilona. Ilaina tokoa ny mamboly vilona ho fanatsarana ny sakafon’ny ombivavy be ronono. « Mila sakafo ampy sy sahaza azy ny omby vavy be ronono raha tiana ny ahazo vokatra tsara hoy ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana Dr Raymond izay tonga nanome voninahitra ny hetsika. Notsindriany nandritra ny lahateny fa tsy ny fanomezana sakafo ny biby ihany ny zava-dehibe fa ny fahadiovan’ny ronono ahafahana miady amin’ ny tsy fanjarian tsakafo. Manohana izany hetsika izany ny MINAE noho ny sehapihariana ronono natao laharam-pahamehana.

Vahaolana amin’ny fahasahiranana ara-tsakafom-biby amin’ ny vanim-potoana ririnina ihany koa ny fambolena vilona, fidiram-bola azo antoka sy maharitra ary paikady entina miaro ny nofontany. Izao hetsika zao dia mifandraika ihany koa amin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena amin’ny fanafarana omby vavy be ronono sy ahafahana manatratra ny fahavitantena ara-tsakafo.Entina nanamarihana ny andron’ny vilona dia nisy ny fambolena vilona « ray grass » sy « avoine » ary koa fifanakalozana traikefa eo amin’ireo vondron’ny mpiompy tonga nanatrika ny fotoana sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny MDB. Nosafidiana ireo karazana voly ireo noho izy ireo atao amin’ ny fotoana fanaovana voly avotra.


Marihina fa efa nisy iany koa ny fankalazana izay notanterahin’ ny MINAE sy ny MDB/Profitlait ny zoma 9 jiona 2023 tao amin’ny fokontany Maharavoandriana, koaominina Fihaonana, Faritra Bongolava.

Retour

Comments are closed.