Fandaharanasa DEFIS: fanamboaran-dalana 20,310 km, mampitohy Andina- ihadilanana, Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania

Lalana mirefy 20, 310 km no navaozina sy nasiana fanamboarana ao amin’ny kaominina Andina mampitohy amin’ny kaominina Ihadilanana, Distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, fandaharanasa eo ambany fiahian’ny MINAE, izay vatsian’ny FIDA vola. Tanjona ny hanamorana ny lalam-bokatry ny tantsaha mpamokatra, izay mampiroborobo ny asa famokarana ao amin’io tendrom-pamokarana iasan’ny fandaharanasa DEFIS io, ka ho « Velontena mivadika harena no kendrena ».

Maro moa ny vokatra mampalaza an’ireo kaominina roa hisitraka ny fotodrafitrasa ireo,toy ny vary, voatabia, voasary, izay «zone enclavé », nohon’ny faharatsian’ny lalàna. Ka antenaina fa hamatsy ny Faritra Amoron’i Mania, rehefa vita ny lalàna, ary dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Velom-panantenana ireo tantsaha mpamokatra satria tombontsoa lehibe ho azy ireo ny fahavitan’io lalana io ka tsy hitoka-monina intsony ny kaominina, ary afaka ny hampiakatra sy hanatsara ny vidim-bokatra.

Ny 22 jona 2023 no napetraka ny vato fototry ny asa ary natao ny fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa, izay vinavinaina haharitra 120 andro ny famitàna izany.  Nanentana amin’ny fanaraha-maso sy ny fikojakojana ny fotodrafitrasa ny Governoran’ny faritra Amoron’i Mania ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy.

PROGRAMME DEFIS- TRAVAUX DE REHABILITATION DE LA PISTE ANDINA-IHADILANANA 20,310 km, DISTRICT D’AMBOSITRA, REGION AMORON’I MANIA

20, 310 km de pistes reliant la commune d’Andina et la commune d’Ihadilanana, district d’Ambositra, Région d’Amoron’i Mania, vont être réhabilités grâce aux appuis du programme DEFIS, sous tutelle du MINAE et financé par le FIDA.

L’objectif de ces travaux de réhabilitation est de faciliter la circulation et l’écoulement des produits agricoles vers les consommateurs et vers les marchés potentiels dans les pôles de production. En effet les deux communes disposent de potentielles agricoles. Les principales cultures sont le riz l’orange et la tomate.

La réfection de cette piste apporte de l’espoir aux agriculteurs car cette piste va désenclaver les deux communes et va permettre également aux producteurs de contrôler le prix des produits.

La pose de la première pierre des travaux de réhabilitation s’est tenue le 22 juin 2023. Sa mise en œuvre devrait durer 120 jours. Le Gouverneur de la région Amoron’i Mania présent à la cérémonie a profité de cette occasion pour sensibiliser les producteurs et les usagers à l’entretien des infrastructures.

Retour

Comments are closed.