Morondava 17 martsa 2023. Atrikasa fanombohana ara-teknika ny tetikasa Titre Vert Menabe Antimena

Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 17 martsa 2023, tao Morondava ny atrikasa fanombohana ara-teknika ny Tetikasa titre vert Menabe Antimena, tetikasa izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy ary ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany. Tohanan’ny USAID (Mikajy- Haytao/Sehatra iombonana ho an’ny Fananantany), ny Access Office International de Migration, ny tetikasa AD2M-FORMAPROD-FDA, ny Helvetas, WWF ary ny Madagascar Voakajy, ara-teknika sy ara-bola ary fanamby napetraky ny Filoham-pirenena hiahiana ara-tsosialin’ny mponina sy hiarovana ny faritra arovana Antimena na ny APMA.

Raha tsiahivina, ny tetikasa titre vert dia niainga avy amin’ny hevitry ny Filoham-pirenena, anatin’ny ventin’asa hanatanterahana ny velirano 13 napetrany, anisan’ny fomba entin’ny fitondram-panjakana ihany koa hamahana ny olan’ny vahoaka indrindra ny tantsaha, mba hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Tao anatin’ny 20 taona izay dia manodidina ny 45.381 ha ny ala simba tao anatin’ny faritra arovana Antimena

Ny tetikasa “titre vert Antimena” dia natao handraisana ireo mpifindra monina avy any amin’ny faritra Atsimo toy ny Androy sy Mahafaly, ka monina sy mitrandraka asa ao amin’ny valan-javaboary arovana APMA (Aire Protégée Menabe Antimena).  Ao amin’ny site Bezeky no hametrahana azy, raha ny marina kokoa dia alelanelan’ny kominina Befasy sy Analaiva, ato amin’ny distrikan’ny Morondava.

Fianakaviana mpifindra monina miisa 500, monina sy mivelona ao anatin’ny APMA, izay ahitana tokan-trano manodidina ny 1700, sy fianakaviana miisa 320 izay efa tafapetraka ao amin’ny tananan’ny Andranovao, Andranomagnitsy ary Besetroka no hisitraka ity tetikasa “titre vert Antimena” andiany voalohany ity.

Anisan’ny tohana homena azy ireo amin’izany ny:

  • Fiarovana ny fananan-tany indrindra ny tany fambolena, izay miantoka feno ny fahavitan-tena ara-tsakafo, na ho an’ny isam-pianakaviana izany, na ho an’ny faritra, eny fa ho an’ny firenena mihintsy
  • Fanorenana trano fonenana, izay miaraka amin’ny fampidirana rano fisotro madio, toeram-pitsaboana CSB, trano ho an’ny mpitandro filaminana, trano fianarana)
  • Tohana ho fampiroboroboana ny famokarana (VOIs inclusifs), ny famokarana izay ain-dehiben’ny toe-karena,
  • Ary ny tohana hanamafisana ny fitandrovana ny tontolo iainana, entina miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, hahatomombana ny fambolena izay atao.

Ho an’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana dia:

  • Atomboka amin’ny fampivondronana ny tantsaha anaty koperativa ny asa
  • Velaran-tany hovolena manodidina ny 1700 ha no ho asiam-panatsarana mba hahafahan’ireo tantsaha tena mampiroborobo ny famokarana ao an-toerana, ka hanodidina ny 1300 ny fianakaviana hisitraka izany.
  • Hisy ihany koa ny tohana ara-hanampamokarana, ara-pitaovana, ara-teknika isaky ny vondron’ny tantsaha mpamokatra sy ny tohana ara-piompiana homena azy ireo amin’izany.
  •  Manodidina ny 820 ny foto-drafitrasa ho an’ny fiompiana hatsangana, 1000 ha ny velaran-tany volena hoajarina, tombanana fa ny 70% n’ny fianakaviana dia afaka hampiakatra ny taham-bokany soa aman-tsara, ny 90%-n’ny fianakaviana mpisitraka ny tetikasa ihany koa dia hanana fahafahana manovaova ny fambolena. Ankoatra izay dia azo antoka fa ny 80% n’ny fianakaviana mpisitraka ny tetikasa dia afaka hampiakatra ny fidiram-bolany hatramin’ny 10% isan-taona amin’ny famarotana ny vokatra.

Nanamafy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Harifidy RAMILISON, nadritry ny fandraisany fitenenana fa “ity Tetikasa titre vert Menabe Antimena ity dia tetikasa feno, marolafy, izay hifandrombonan’ny Minisitera maro. Nanambara ihany koa ny tenany fa mihazakazaka ny Filoham-pirenena mitady ny vahaolana rehetra hampandrosoana ny firenena. Fandaharan’asa lehibe napetraky ny Filoham-pirenena eo anivon’ny MINAE ny tetikasa Titre vert ary nanome toromarika ny tenany fa atomboka manerana ny faritra 23 izany mba hafahan’ny tanora 2 544 misitraka tany sy mamokatra, ao anatin’ny 3 volana ho avy.

Nanambara ihany koa ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy , VINA Orléa, fa hisy ny fambolen-kazo izay hatao ao anatin’ny velaran-tany 7000 ha ka ny 5000 ha amin’izany dia hiompana amin’ny fanarenana ny aty ala ary ny 2000 ha kosa dia hiompana amin’ny fambolena hazo avadika ho angovo fandrehitra hitsinjovana ny filan’ny tokan-trano.

Eo an-danin’izay dia nanome toky ny teo anivon’ny MATSF fa hatomboka ny Alatsinainy 20 martsa 2023 ho avy izao ny famaritana ny tany hametrahana ny tetikasa izay ho afainganina ary ezahana ny hahavita izany ao anatin’ny 20 andro.

Ny Governoran’ny faritra Menabe dia nametraka ny tetikasa Titre Vert Menabe ho tetikasa sarobidy hahafahana mametraka vahaolana maharitra hiarovana sy hanarenana indray ny APMA.

Misy singa 9 lehibe mandrafitra ny asa izy ho tanterahina ao anatin’ny tetikasa titre vert:

Composante 1: Fanombohana ofisialy ny tetikasa Titre Vert Menabe Antimena sy ny andraikitry ny mpiara-miombon’antoka

Composante 2: Fitandrovana ny fandriam-pahalemana ho an’ireo tanana vaovao miisa 7 sy ireo tanana vaovao miisa 3 efa tafapetraka – Fizotran’ny titre vert (processus Titre Vert)

Composante 3 : Fanorenana foto-drafitrasa

Composante 4 : Famindrana sy fandraisana ireo ùmpifindra monina

Composante 5 : Fambolena sy fiompiana

Composante 6 : Tontolo iainana sy ny fambolen-kazo

Composante 7: Fahasalamana

Composante 8: Fanabezana

Composante 9: Fiambenana ny site

————————————————————

MORONDAVA 17 MARS 2023. ATELIER DE DEMARRAGE TECHNIQUE DU PROJET TITRE VERT MENABE ANTIMENA

Le vendredi 17 mars 2023, s’est tenu officiellement à Morondava, l’atelier de démarrage technique du projet titre vert Menabe Antimena, un projet sous le lead du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage (MINAE) et en collaboration avec le Ministère de l’Environnement et de Développement Durable (MEDD) et du Ministère de l’Aménagement du Territoire et du Service Foncier (MATSF). Le projet est en partie appuyé par USAID (Mikajy-Hay tao/ Sehatra Iombonana ho an’ny fananan-tany) et l’Access Office International de Migration, les projets AD2M-FORMAPROD-FDA, Helvetas, WWF et Madagascar Voakajy.

Le projet Titre Vert Menabe Antimena est un défi lancé par le Président de la République de Madagascar. Il cadre dans la réalisation du Velirano n°9 : « Autosuffisance alimentaire » et du Velirano 10 : « Gestion durable des Ressources naturelles » et a pour objet de fournir une assistance sociale pour la population et pour restaurer l’Aire Protégée Menabe Antimena (APMA), vu qu’au cours des 20 dernières années, environ 45 381 hectares de forêt ont été détruits dans cette zone.

Les bénéficiaires directs du projet sont les migrants venant du Sud (Androy et Mahafaly) qui occupent illicitement le noyau dur de APMA actuellement. 500 familles d’immigrés regroupant environ 1.700 individus et 320 familles autochtones installées dans les villages d’Andranovao, d’Andranomagnitsy et de Besetroka sont les bénéficiaires de cette première phase du projet qui vont bénéficier des initiatives suivantes :

  • La sécurisation foncière;
  • La construction d’infrastructures sociales (adduction d’eau potable, CSB, sécurité, éducation) ;
  • L’appui en développement agricole (les trois VOIs inclus).
  • Le renforcement de la conservation de l’environnement.

Pour le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage :

L’objectif spécifique est de contribuer aux moyens de subsistance durables des populations autour des aires protégées, de pallier leur dépendance aux ressources naturelles, et de les accompagner à faire face aux chocs climatiques. Les activités à vocation agricole du projet sont regroupées autour de 3 composantes :

  • L’appui à la production Agricole (agriculture et élevage) par le regroupement des agriculteurs en coopératives, appui technique (formation), appui en intrants agricoles, appui matériel, réhabilitation de 17000 ha de terrain à vocation agricole, aménagement de 10 000ha de terrains agricoles (Rendements augmentés : 70 % des ménages), élevage de poulets et des petits ruminants). Ainsi, environ 820 infrastructures d’élevages seront construites ;
  • Le développement de chaînes de valeur durables : agriculture durable pour arachide, agriculture alternative : culture maraichère (sorgho-pois de cap-manioc-patate douce)
  • Le développement de la finance rurale : revenus sécurisés et augmentés : 80 % des ménages des ménages améliorent de 10 % par an leurs revenus issus des productions commercialisées.

Lors de son allocution, Le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON, a souligné que « ce projet titre vert Menabe Antimena est un projet intégré. Il a également annoncé que Son Excellence Monsieur Président de la République ne cesse de chercher toutes les meilleures solutions pour développer la grande île. Le projet Titre vert est un grand programme de travail sous le lead du  PRM au sein du MINAE qui va démarrer dans  les 23 régions dans les 3 prochaines mois à venir afin que 2 544 jeunes puissent bénéficier de terrain. »

Le Ministre de l’Environnement et de Développement Durable, VINA Orléa, pour sa part, a également annoncé que 7000 ha de superficie seront reboisés durant la mise en œuvre du projet, dont 5 000 ha seront consacrés à la restauration de la forêt et 2 000 à vocation énergétique.

D’autre part, le MATSF a rassuré que la délimitation du terrain pour l’installation dudit projet a commencé ce lundi 20 mars 2023, et des efforts seront déployés pour l’achever dans 20 jours.

Enfin, le Gouverneur de la région de Menabe a souligné également que le projet Titre Vert Menabe est un projet très important permettant de disposer une solution à long terme pour la protection et la restauration de l’APMA.

9        Composantes constituent le projet titre vert Menabe Antimena, à savoir :

  • Composante 1 : Officialisation du projet titre vert Menabe Antimena en engagement des partenaires
  • Composante 2 : sécurisation foncière des 7 nouveaux villages et des 3 villages existants- processus Titre vert
  • Composante 3 : Construction des infrastructures publics
  • Composante 4 : Déplacement volontaire et accueil des migrants
  • Composante 5 : Agriculture et élevage
  • Composante 6 : Environnement et reboisement
  • Composante 7 : Santé
  • Composante 8 : Education
  • Composante 9 : Sécurisation du site

Retour

Comments are closed.