Fivoriana fanomanana ny COP 27

Anosy Antananarivo, 25 oktobra 2022. Tontosa ny fivoriam-be ho fanomanana ny COP 27  (Conference of Parties) momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, karakarain’ny Firenena mikambana izay ho atao ny 06-18 novambra 2022 any Egipta (Charm El Cheilah). Niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana ity fivoriana ho fanomanana ny COP 27 ity ny Royaume Unis, ny Banky iraisam-pirenena ary ny fitondram-panjakana malagasy.

Tanjon’ny fivoriana ny nampahafantarana ny andraikitra efa noraisin’i Madagasikara taorian’ny COP 26, dia ny famolavolana ny CDN II (Contribution Déterminée National) sy ny PNA (Plan National d’Adaptation) miaraka amin’ny drafitrasa fanatanterahana azy sy ny teti-bola ilaina amin’izany. Anisan’ny firenena Afrikanina vitsy nahatanteraka izany i Madagasikara.

Ho an’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana manokana araka ny voarakitra ao amin’ny PNA dia paik’ady voizina hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny (1) ny fivoizana ny AIC (Adaptation Intelligente au Climat) : fampiharana ny Famokarana afaka miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro toy ny voly rakotra na ny agroekolojika, ny fampiroboroboana ny famokarana ara-biolojika, ny famporisihana ny fampiasana ny zezika organika sy biolojika hampihenana ny zezika simika, ny fikarohana ireo karazam-boly fihinana mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro indrindra ho an’ny faritra Atsimo. Manampy ireo ny fanavaozana isan-taona ny tetiandrom-pambolena hifanaraka ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ho an’ny sehatry ny fiompiana dia misy ny fambolena vilona sy fametrahana ny Silo fitahirizana ny otribilona. (2) ny fametrana ny CEC (Champ Ecole Climat), izay iaraha-miasa amin’ny tetikasa PRADA / Giz, tany amin’ny faritra Atsimo, ary ho aparitaka manerana ny Nosy. (3) Fampianarana ny tantsaha amin’ny fanamasahana ny nofon-tany mba hamokatra bebe kokoa amin’ny alalan’ny fambolen-kazo sy ny voly miaro ny nofon-tany tsy ho kahon’ny riaka.

Marihina fa i Madagasikara dia anisan’ny firenena mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny fipariahan’ny entona mangeja ka rariry raha hisitraka ny famatsiam-bola ho fanatanterahana ny PNA.

——————————————————

CHANGEMENT CLIMATIQUE: MADAGASCAR TIENT SON PRE-COP 27

Anosy Antananarivo, 25 octobre 2022. Une réunion de préparation de la prochaine COP 27 (Conference of Parties) qui se déroulera les 6 au 18 novembre 2022 en Egypte, a été organisée ce jour par le Gouvernent malagasy à travers le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable , l’Organisation des Nations-Unies, l’Ambassade du Royaume Uni et la Banque Mondiale.

L’objectif étant de discuter des avancements par rapport aux engagements pris par Madagascar à l’issue du COP 26, surtout en ce qui concerne l’élaboration de la CDN II (Contribution Déterminée National) et le PNA (Plan National d’Adaptation). Madagascar est un des pays africains ayant déjà conçu ces documents de cadrage pour lutter contre le changement climatique.

Le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage a participé au panel de discussion, avec le Ministère des Transports et de la Météorologie, les autres Ministères concernés par le changement climatique, les Parlementaires, les Diplomaties étrangères présentes à Madagascar, les partenaires techniques et financiers ainsi que le secteur privé notamment.Le secteur agricole a vu la mise en œuvre d’actions notoires concernant la promotion de l’AIC se rapportant à la pratique de l’agriculture intelligente, l’agro-écologie, la promotion de l’agriculture biologique, la sensibilisation à l’utilisation des engrais biologique et organique afin de réduire l’utilisation des engrais chimique et la recherche des nouvelles variétés adaptées au changement climatique, comme le mil et le sorgho dans le Sud.

Le MINAE, en collaboration avec la Direction Générale de la Météorologie et la GIZ, a également conçu les calendriers culturaux selon les perspectives climatiques, mis à jour avant chaque année culturale. Le Sud de Madagascar a notamment bénéficié d’un Champ Ecole Climat que le Ministère projette de le vulgariser dans toutes les autres régions. D’autres actions ont été menées notamment en matière de fertilisation des sols, de reboisement et d’associations culturales.

Retour

Comments are closed.