Miroso amin’ny famolavolana ny PSSAR i Madagasikara

Manan-danja lehibe amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny fananana antontan’isa marina sy azo antoka eo amin’ny sehatry ny famokarana. Mbola lesoka ho an’i Madagasikara hatreto ny tsy fananana antontan’isa marina sy azo antoka amin’izany sehatra izany.

Ahafahana miatrika ny zava-misy maneran-tany ankehitriny (ady, valan’aretina, fiovaovan’ny toetr’andro), dia apetraka ny paik’ady maneran-tany ho fanatsarana ny fikirakirana ny antontan’isa ara-pamokarana sy ny tontolo ambanivohitra (GSARS II).

Ao anatin’ny fanatanterahana io paikady maneran-tany io, i Madagasikara dia anisan’ny firenena misitraka ny tohana ho famolavolana ny drafitra stratejika momba ny fikirakirana ny antontan’isa ara-pamokarana sy eny amin’ny tontolo ambanivohitra (PSSAR), tetikasa izay vatsian’ny Vondrona Eropeana vola miaraka amin’ny fanohanan’ny Bill et Melinda Gates Foundation, ary iarahana miasa amin’ny FAO.  Fitaovam-pandrafetana ireo sehatr’asam-pamokarana sy fanapariahana ireo antontan’isa mahakasika izany ny PSSAR. Nisy araka izany ny atrikasa nametrahana ny tondrozotra hahafahana mamolavola izany, izay natao ny 30 septambra 2022 tao amin’ny Carlton.

Tombony amin’ny fisian’ ny PASSR (1) ny fahafahana manome antontan’isa mazava sy marina ireo tantsaha, hanamorana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka, (2) ny hanana antontan’isa marina sy azo antoka izay manampy betsaka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.

Mifarimbona amin’ny famolavolana ny PSSAR ny Ministera misahana ny tontolo iainana, ny jono sy ny toe-karena manga, ny rano, ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ka mitarika izany ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny alalan’ny Sampandraharaha misahana ny antontan’isa ara-pamokarana (STAT Agri).

———————————————————–

MADAGASCAR SE LANCE DANS L’ELABORATION DU PSSAR

La disposition des statistiques agricoles fiables tient un grand rôle dans la prise des décisions dans un pays. Madagascar ne dispose pas encore de statistiques exactes sur le secteur agricole.

Afin de faire face aux différentes circonstances mondiales, (notamment les guerres, les épidémies de maladie, le changement climatique), la mise en place de la Stratégie mondiale pour l’amélioration des Statistiques Agricoles et Rurales (GSARSII) est primordiale.

Dans le cadre de la mise en œuvre de cette stratégie, Madagascar a bénéficié de l’appui à l’élaboration du Plan Stratégique sur les Statistiques Agricoles et Rurales (PSSAR), qui est un projet financé par l’Union Européenne avec l’appui de la Fondation Bill et Melinda Gates et en collaboration avec la FAO. Le PSSAR est un outil de planification des activités de production et de diffusion des statistiques agricoles et rurales. Ainsi, un atelier  de présentation et de validation de la feuille de route afin de procéder à l’élaboration du PSSAR a été organisé ce 30 Septembre 2022 au Carlton.

Le  PSSAR permettra (1) de donner des statistiques fiables et exactes aux paysans, facilitant la collaboration avec les investisseurs et notamment  (2) d’aider les décideurs politiques à la prise de décision.

Le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable, le Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue, le Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène, le Ministère de l’Economie et du Finance sont en étroite collaboration dans la mise en œuvre du processus d’élaboration de ce PSSAR, sous le lead du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage à travers le Service de Statistique Agricole.

Retour

Comments are closed.