Naharesy lahatra ny fahombiazan’ny tetikasa “Fy Vary”

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 08 septembre 2022 ny tetikasa FY VARY,tetikasa  izay niarahan’ny MINAE niasa tamin’ny JIRCAS (Ivontoeram-pikarohana iraisam-pirenena Japoney ho an’ny siansa ara-pamokarana, notarihin’ny JICA sy ny JST, ary tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa SATREPS.

Tsiahivina fa ny tetikasa FY VARY dia tetikasam-pikarohana izay ampiharina amin’ny vary ary nentina namolavolana teknika famokaram-bary izay naparitaka eny anivon’ny tantsaha mpamboly ho fanatsaràna ny voka-bary.  Tsy mifidy tany ary mety tsara amin’ny karan-tany tsy dia mamokatra sy tsy ampy zezika. 5 taona no nanatanterahana ny tetikasa (2017- 2022) ary mpamboly manodidina ny 3000 isa no nanapariahana izany.

Anisan’ny vokatra lehibe nentin’ny tetikasa FY VARY ho an’ny fambolem-bary malagasy ny famokarana kazaram-bary miisa 2 dia ny FY VARY 32 sy ny FY VARY 85. Hita fa ambony kokoa mihoatra ny karazam-bary izay hita fa nahazoam-bokatra tsara, toy ny FOFIFA X265, 12% hatramin’ny 20% amboniny . Ireo karazam-bary ireo dia natao hambolena amin’ny tany tsy dia mamokatra, manta ary tsy ampy zezika. Efa voamarina teo anivon’ny SOC ihany koa ireo karazam-bary ireo ary efa hita ao anatin’ny katalôgy ofisialin’ny masomboly eto Madagasikara.

Tao anatin’ny 5 taona no namoahana ireo karazam-bary vaovao ireo, izay nangalana ny hevitry ny tantsaha mpamboly teo amin’ny lafin’ny tsiro, loko, habeany izay mamaly ny filàna ara-tsakafo.

Nandritra ny lanonana famaranana ity tetikasa Fy Vary ity no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo karazam-bary vaovao ireo ho an’ny tantsaha, nanolorana ihany ko any « sac P-Dipping, izay teknika fanatsarana ny nofon-tany hovolena mba hamokatra bebe kokoa, tao anatin’ny tetikasa Fy Vary, ary ny taratasy fisaorana avy amin’ny MINAE ho an’ny tetikasa Fy Vary.

“Ezahina ny hanapariahana ity voka-pikarohana ity any amin’ny faritra hafa ankoatra ny faritra izay efa niasany, amin’ny alalan’ny PAPRIZ sy ireo tetikasa hafa eo anivon’ny Ministera” hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MINAE, Fanja RAHARINOMENA, “indrindra any amin’ireo tendrom-pamokarana toy ny PC23”.

———————————————-

LE PROJET « FY VARY » ou « FertilitY sensing and Variety Amelioration for Rice Yield » A ETE UN FRANC SUCCES

Ce 08 septembre 2022 s’est tenue la cérémonie de clôture officielle du projet FY VARY, un projet mené conjointement par le MINAE avec le JIRCAS ou Centre de Recherche International Japonais pour les Sciences Agronomiques, piloté par le JICA ou l’Agence Japonaise de Coopération Internationale et le JST (Agence Japonaise pour  la Science et la Technologie, dans le cadre du programme SATREPS.

Utiliser le peu dont on dispose pour le maximum de productivité et avec une technologie simple et peu couteuse et avec l’utilisation de variétés nécessitant de faibles intrants et à faible fertilité de sol .

Rappelons que le FY VARY était un projet de recherche appliquée sur le riz et visant à élaborer des techniques de production de riz à vulgariser pour améliorer la productivité même en conditions de sol à faible apport en intrants et peu fertiles. Le projet a été mise en œuvre dans 5 ans (2017- 2022) avec la consultation des paysans sur la sélection des critères variétales (couleur, goût, etc.) . Il est actuellement diffusé auprès de 3000agriculteurs.

Parmi les principaux résultats du projet, est la création de 2 nouvelles variétés de riz, FY VARY 32 et le FY VARY 85. « FyVary85 », « FyVary32 » ces deux variétés présentent des rendements plus élevés par rapport à une variété de référence qui est le FOFIFA X266, 12% à 20% de plus. Notons que ces variétés sont développées pour être cultivées dans un sol à faible fertilité comme pour la majorité des sols des Hautes Terres de Madagascar. L’homologation auprès du Service Officiel de Control (SOC), marque l’intégration de ces nouvelles variétés dans le catalogue de semence officiel de Madagascar.

Ainsi, notons que 40 articles scientifiques sur le projet Fy Vary ont été déjà publiés dont 12 par des chercheurs malagasy.

La cérémonie de clôture a été marquée par la remise officielle de ces nouvelles variétés Fy Vary 32 et Fy Vary 85 aux agriculteurs, également la remise officielle du sac P-Dipping qui est une technique de fertilisation des systèmes de riziculture de bas fond et irrigués, et la lettre de remerciement pour le projet Fy Vary.

“Ces nouveaux types variétales Fy Vary 32 et Fy Vary 85 seront à vulgariser dans les autres régions de Madagascar autres que les zones d’intervention du projet, à travers le projet PAPRIZ et les autres projets du MINAE, notamment dans les pôles de production comme PC 23” a annoncé le Secrétaire Général du MINAE, Fanja RAHARINOMENA.

Retour

Comments are closed.