Ady amin’ ny kere : hamokatra katsaka ny faritra Vakinakaratra hamatsiana ny banki-tsakafo any atsimo

Ny MINAE, ny PAM, ny faritra Vakinankaratra ary ny faritra Androy dia miara-mientana amin’ny fanatrarana ny tanjona napetrakin’ny velirano faha 9 ny Filoham-pirenena, sy fanamafisana ny fahafahan’ireo mponina marefo miatrika ny kere any amin’ny faritra atsimo. Ho fanamafisana izany fiaraha-mientana izany dia nisy ny fanaovan-tsonia tetikasa lehibe famokarana katsaka ho famatsiana ny banki-tsakafo any amin’ny fariritra Androy.

Tanjona ny hanohanana ireo mpamokatra malagasy sy ireo mponina any amin’ny faritra atsimo amin’ny fiantrehana ny fotonan’ny kere. Paikady entina hanafainganana ny fanatanterahana sy fanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara ary indrindra fanehoana ny firaisankinan’ny malagasy hiadivana amin’ny kere hoy ny Ministrin’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Fanavaozana lehibe no entin’ity tetikasa ity satria tsy hanafatra ny vokatra sy sakafo avy any ivelany intsony ny PAM hamatsiana ny faritra hianjadian’ny kere fa eto an-toerana daholo izany no vokarina.

Hamokatra katsaka manodidina ny 1200T amin’ny velarantany 500Ha ny faritra Vakinankaratra ka ny PAM no hividy izany sy miantoka ny masomboly ary ny fitanterana ny vokatra makany Atsimo. Ny faritra Androy kosa no miandraikitra ny fitehirizana ny vokatra.  

Ny MINAE no manohana ny tetikasa amin’ny lafiny fampitaovana, fiarovana ny voly amin’ny bibikely ary hiantoka ny fandaniana amin’ny fampandehanana sy ny fampiroboroboana ny tetikasa.Notanterahina ny Alakamisy 25 Aogositra 2022 tao Anosy izany fifanaovan-tsonia izany.

Convention de partenariat pour la production de maïs dans la région Vakinankaratra pour alimenter la banque alimentaire dans le sud.

Le MINAE, le PAM, la région Vakinankaratra et la région Androy unissent leurs forces et efforts pour atteindre les objectifs du velirano N9 et renforcer la résilience de la population et l’autonomisation alimentaire dans le Sud. Les quatre parties signent un projet pour la production de maïs sur 500 ha dans le Vakinankaratra pour approvisionner durablement la banque alimentaire dans la région Androy en maïs.

Ce projet permettra d’investir dans la production locale  et de soutenir les producteurs malagasy afin d’aider la population du Sud affectée par la sècheresse. Il Symbolise le patriotisme malagasy pour la lutte contre le kere dans le sud. C’est aussi une stratégie pour accélérer la concrétisation et l’atteinte de l’autosuffisance alimentaire dixit le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage.

 Il s’agit d’un projet innovant et gagnant-gagnant puisqu’il va exploiter les ressources et potentiels  des 2 régions. De ce fait, le PAM ne va plus importer les denrées nécessaires pour l’approvisionnement de la région du Sud en vivre.  En effet la région Vakinakaratra va produire près de 1200 T de maïs sur une superficie de 500ha sécurisée par la région que le PAM va acheter pour alimenter la banque alimentaire dans le Sud. Le PAM assurera également le transport de la production vers la région Androy, qui se chargera des infrastructures d’accueil. Le Ministère de l’Agriculture appuie le projet en terme de matériel, de protection des cultures contre les nuisibles et prendra en charge les dépenses relatives à l’exploitation et au fonctionnent du projet.

Comments are closed.