MINAE sy ny STOI :hifarimbona hampiakatra ny tahambokatra amin’ ny alalan’ ny vary safiotra

Ny fahavitan-tena ara-tsakafo no tetika mahomby hafahan’i Madagasikara miatrika ny kirizy ara toekarena maneran-tany. Eo amin’ny 1.200.000 T no fiakaran’ny vokabary tsy maintsy tratrarina amin’ity taom-pamokarana manaraka ity, satria 6.000.000 T no vary ilaina vokarina. Anisan’ny miantoka izany ny fampiakarana ny taha-pamokarana amin’ny alàlan’ny fampiasana ny vary safiotra. Anton’ny fiaraha-miasa nosoniavina ny 02/09/2022 miaraka amin’ny Groupe STOI izay hamokarana vary safiotra anaty faritra 16  (Sava, Itasy, Alaotra Mangoro, Menabe,Melaky,  Bongolava,Atsinanana, Amoron’i Mania, Diana, Matsiatra ambony, Analamanga, Betsiboka,Vakinakaratra, Ihorombe, Fitovinany, ary Boeny)

 Fifanarahana fehezin’ny lalàna momba ny “agregation agricole”

Naneho ny fahavononany hifarimbona hatrany amin’ny Fitondram-panjakana ny Groupe STOI ary nisaotra sy nidera ny ezaka vita teo amin’ny fanitarana ireo fotodrafitr’asa sy tany hambolena, ary ny nametrahana ny lalànan’ ny farimbom-pamokarana na “agrégation agricole”.

Ao anatin’ izany fiarahamiasa izany dia hanohana ny tantsaha amin’ny hanam-pamokarana (masomboly vary safiotra, zezika ary fanafody fiarovana ny voly) ny STOI ary hanampy ihany koa amin’ny fifehezana ny ara-teknika. Izy  ihany koa no hividy ny vokatr’ireo tantsaha amin’ny vidiny eo amin’ny tsenam-bokatra.Tafiditra tanteraka amin’ny fampiharana ny lalànan’ny farimbom-pamokarana na “agrégation agricole” izay napetraky ny Ministera izany, ary ilaina tokoa ny firotsahan’ny sehatra tsy miankina amin’ny famokarana vary safiotra satria betsaka ny vola ilaina amin’ny fividianana masomboly sy zezika. Ny STOI moa dia efa « agrégateur » amin’ ny seham-pihariana tsaramaso any Miandrivazo faritra Menabe efa ho 10 taona ary amin’ ny seham-pihariana katsaka panara any amin’ ny faritra Amoron i Mania.

Teknolojia efa voasedra sy nahazoana vokatra azo tsapain-tanana

Ny vary safiotra dia teknika efa voasedra hoy ny PDG ny STOI, Tovonanahary RABETSITONTA, araka ny andrana efa natao tamin’ireo faritra maro ka nahazoana taha-pamokarana 8t/ha farafahakeliny.Nanao andrana tamin’ny faritra maro teto tamin’ny taona  2017 ,  arakaraky  ny  toetrandro sy ny  toetany eto ary ny toetry ny  rano. Nahazoana 8t hatramin’ny 12t/ha ( tantsaha tany Andapa). Maro ireo Tantsaha nanandrana ary tena  efa resy lahatra tamin’ny vokatra azo.

Efa jerena ny ahafahana mamokatra vary safiotra miainga amin’ny vary efa misy eto Madagasikara hoy ny Minisitra Harifidy RAMILISON, mba hanamaroana ny karazana vary safiotra azon’ny tantsaha isafidianana sy ampiakarana ny taham-pamokarana. Koa amporisihina indrindra ny firosoan’ny sehatra tsy miankina amin’ny fifanarahana toy izao hoy hatrany  ny Minisitra.

Tanjona ny hanenana ny fampiasana zezika simika

2000t/volana no zezika organika Taroka vokarin’ny STOI, izay azo ampiarahana amin’ny  Urée sy zezipahitra. Efa misy ihany  koa ny tetikasan’ny  Minae  hanampiana ireo  tantsaha  amin’ny zezika satria  efa tokony hiova isika, tsy hiankina be amin’ny  zezika simika  fa misy ny zezika organika azo ampiasaina. Hoentanina ireo tantsaha amin’ny fampiasana sy fanamboarana ny “composte” zezika organika sy biolojika amin’ny akora misy eto amintsika ihany  ka tsy hiankin-doha amin’ny fanafarana zezika simika izay miaka-bidy hatrany.

Comments are closed.