ATRIKASA FANATSARANA NY ROJOM-PIHARIANA VARY HO AN’NY LEMAK’I BETSIMITATATRA SY PC23

Ho fampiroboroboana ny seham-pihariana vary hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia nisy ny atrikasa « Fanatsarana ny rojom-pihariana vary ho an’ny lemak’i Betsimitatatra sy PC23 » nokarakarain’ny Minsteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana niaraka tamin’ny tetikasa PAPRIZ izay tohanan’ny governemanta Japoney, anio 19 Aogositra 2022.

Tanjona ny hamoaka drafit’asa entina miatrika ireo fanamby sy ny olana sedrain’ny tantsaha ao Betsimitatatra sy PC23, amin’ny alalan’ny fifanakalozana eo amin’ireo mpandray anjara sy mpisehatra amin’ity rojom-pihariana ity.

Asam-baomiera roa no natao handrafetana ny drafitr’asa ka ny voalohany dia namoahana ny tombontsoa sy ny olana sedrain’ny mpamboly vary toy ny olan’ny ny fananan-tany, ny fisitrahana hanam-pamokarana sy zezika ary masomboly. Eo ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana, ny tsy fahampian’ny fitaovam-pamokarana ary ny halafon’ny saram-pitanteram-bokatra.

Ary ny faharoa dia ny fandrosoana ireo vahaolana ao anatin’ny drafitr’asa hotanterahina, vokatry ny dinika niarahan’ny mpamokatra, ny koperativa sy ny federasionina, ny mpividy vokatra ary ny mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany ny fampiofanana ara-teknika, ny fampitomboana ny mpamokatra masomboly, ny fanavaozana ny fotodrafitrasa toy ny tohodrano sy ny fitehirizam-bokatra, ny fanamorana ny fisitrahana karatany.

Marihina moa fa anisan’ny valan-tahaka lehibe valo (8) nosafidian’ny tetikasa PAPRIZ ny lemaka Betsimitatatra (Analamanga) sy PC23 (Alaotra Mangoro) izay misantatra izao atrikasa ho fanatsarana ny rojom-pihariana vary izao.

ATELIER D’AMÉLIORATION DE LA CHAÎNE DE VALEUR RIZ POUR LES PLAINES DE BETSIMITATATRA ET PC23

Afin de promouvoir la production rizicole pour atteindre l’autosuffisance alimentaire, le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage avec le projet PAPRIZ, financé par la JICA,  a organisé un atelier sur “L’Amélioration de la chaîne de valeur riz pour les plaines de Betsimitatatra et PC23” par le, ce 19 Août 2022.

L’objectif est d’élaborer un plan de travail pour faire face aux défis et difficultés rencontrés par les producteurs de riz de Betsimitatatra et PC23, à travers l’échange entre les participants et acteurs de cette filière.

Deux commissions ont été créées pour rédiger le plan de travail, dont la première était de révéler les avantages et les problèmes rencontrés par les riziculteurs tels que les problèmes fonciers, l’accès aux intrants, les engrais et les semences. Sans compter l’insécurité, l’insuffisance de matériels de production et le coût élevé du transport.

La seconde commission s’agissait de proposer des solutions dans le plan de travail à réaliser, à la suite des discussions entre les producteurs, les coopératives et fédérations, les collecteurs et les partenaires. Parmi lesquelles, la formation des techniques agricoles, l’augmentation du nombre de producteurs de semences, la modernisation des infrastructures telles que les barrages et les GCV, ainsi que la facilitation pour l’obtention des titres fonciers.

Il est à rappeler que les plaines de Betsimitatatra (Analamanga) et PC23 (Alaotra Mangoro) font partie des huit (8) sites modèles sélectionnés par le projet PAPRIZ.

Retour



Comments are closed.