Fanamorana ny fahazoana fanamarinana ara-pahasalaman’ny zava-maniry na « certificat phytosanitaire »

Ho fanamorana ny fahazoana fanamarinana ara-pahasalamana ho an’ny zava-maniry na « certificat phytosanitaire » sy ho fanavaozana ny fombafomba ara-barotra hampihenana ny fotoana sy ny saran’ny fivezivezen’ny vokatra, dia tontosa ny 5 jolay 2022 tao amin’ny Hotely Carlton Anosy ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fanamarinana ara-pahasalamana ho an’ny zava-maniry elektronika na “ePhyto” sy ny “Décision anticipées” momba ny fanasokajiana ny saran-dalana eny anivon’ny ladoany eto Madagasikara.

Ny fampiharana ity fanamarinana « ePhyto » ity miara-miasa amin’ny sampan-draharaha miaro ny zava-maniry ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ary ny orinasam-pambolena eto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia hanafoana ny fizotran’ny fitantanan-draharaha ela sy sarotra amin’ny fahazoana fanamarinana ara-pahasalamana ho an’ny zava-maniry, sy hiadiana amin’ny kolikoly ary hahatonga ny varotra ho azo antoka kokoa, haingana, mahomby ary amin’ny vidiny mirary. Toembony lehibe ho an’i Madagasikara arak’izany izao dingana fanamarinana fahasalamnan’ny zava-maniry tsy mampiasa taratasy amin’ny alàlan’ny fampifandraisana amin’ny “ePhyto Hub” novolavolain’ny Sekretariat’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zava-maniry.

Nandritra ny dingana andrana na « phase pilote » dia efa nisongadina ny fahombiazan’ity teknolojia vaovao ity voamarik’ireo mpanara-maso ny fahadiovan’ny olona sy ny zava-maniry notohanan’ny fijoroana vavolombelona nataon’ny orinasa tsy miankina roa izay efa nanandrana. Olona miisa 350 ihany koa no nahazo fiofanana ary orinasa 105 no nahazo tombony nandritra izany dingana izany.

Hatramin’ny volana Mey 2022, dia fanamarinana miisa 200 no efa nivoaka.

Le lancement officiel des mécanismes de décisions anticipées et de certificats phytosanitaires dématérialisées « ePhyto »

Dans le cadre de la modernisation des formalités commerciales pour réduire les délais et les couts des échanges de marchandises. La cérémonie de démarrage officiel des certificats phytosanitaires électroniques « ePhyto » et du mécanisme de « Décisions Anticipées » sur le classement tarifaire et l’origine douanière à Madagascar a eu lieu le 5 Juillet 2022 a l’Hôtel Carlton Anosy.

Le premier de ces projets a consisté à aider Madagascar à passer d’un processus de certification phytosanitaire manuel à une alternative dématérialisée en se connectant au « ePhyto Hub » conçue par le Secrétariat de la Convention internationale pour la protection des végétaux.

L’adoption de ce système mondial de numérisation permettra d’éliminer le long et complexe processus administratif pour l’obtention de certificats phytosanitaires, luttant ainsi contre la corruption et rendant le commerce plus sûr, rapide, efficace et à faible coût.

En collaboration avec la Direction de la Protection des Végétaux du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, ainsi qu’avec des entreprises agroalimentaires locales et internationales, la mise en œuvre de cette certification « ePhyto » reflète l’engagement du Ministère à renforcer l’attractivité des produits agricoles et surtout à faciliter les échanges commerciales en produits végétaux.

Un changement spectaculaire a déjà été constaté par les inspecteurs sanitaires et phytosanitaires appuyées par les témoignages de deux entreprises privées qui ont déjà teste l’efficacité de cette nouvelle technologie au cours de la phase pilote, 350 personnes ont été formées et 105 sociétés bénéficiaires au cours de cette phase.

Depuis le mois de Mai 2022, près de 200 certificats ePhyto ont déjà été échangées.

Comments are closed.