Lemak’I Beboka: mitohy ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa ho enti-mamokatra

Fanambin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanamboarana sy fanavaozana ireo foto-drafitrasa eo amin’ny sehatry ny famokarana ary ny fanitarana ny tany ho volena, hahafahana mahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Taorian’ny fihaonam-bem-pirenena ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay notanterahina ny 16-17 jona 2022, dia tsy maintsy miroso amin’ny fanamboarana sy famitàna izany fotodrafitrasa izany ny MINAE.

Araka izany, dia manohy ny fanamboarana ny toha-drano sy lakandrano, izay hanondraka ny lemak’I Beboka, ao Antsalova, faritra Melaky ny MINAE, amin’ny alalan’ny fandaharanasa AD2M izay vatsian’ny FIDA vola, raha niato kely izany teo aloha.

Nidina tany an-toerana nijery ny fizotry ny asa ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana, Harifidy RAMILISON, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera ary  ireo manam-pahefana  any an-toerana, ny 04 jolay 2022.

Velaran-tany manodidina ny 1600ha no ho voatondraka amin’izany ary tokan-trano miisa 1500 no hisitraka ny foto-drafitrasa. Vinaina hiampy 6300 taonina isan-taona ny voka-bary amin’izany.

Orinasa 3 lehibe dia ny SINOHYDRO LTD, ny AER ary ny Orinasa FANILO no hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny asa ary efa vonona avokoa ireo fitaovana toy ny “engin” sy ny teknisianina ary ny BRL hanara-maso  akaiky ny fizotry ny asa.

Nanome toky ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana fa tsy maintsy hafainganina ny fahavitan’ny ny asa ka vinaina ho vita amin’ny faran’ny taona 2022 izany, indrindra ny tohodrano lehibe izay hiankinan’ny fampidirana ny rano. Nanentana ireo tantsaha mpamokatra ihany koa izy amin’ny fikojakojana sahady ireo fotodrafitrasa, hisian’ny famokarana maharitra, ary hahatonga sompitra ara-tsakafo ny distrikan’Antsalova.

Retour

Comments are closed.