Mihamafy kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny MINAE sy ny SYMABIO ho fampiroboroboana ny vokatra biolojika

Nanomboka ny taona 2017 no efa niara-niasa ny MINAE sy ny SYMABIO. Vokatr’izany dia efa nisy ny fampahafantarana ny lalàna momba ny famokarana biolojika ny taona 2020, narahina famolavolana ny paik’ady nasionaly momba izany.

Ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny 2 tonta dia nosoniavina ny 20 jona 2022 tao Anosy ny fifanekem-piaraha-miasa. Ity fifanakem-piaraha-miasa ity dia natao hamaritana ireo tanjona sy ny fomba hiaraha-miasa eo amin’ny MINAE sy ny SYMABIO amin’ny lafiny tantsoroka, ho fampiroboroboana ny fambolena biolojika eto Madagasikara. Izany dia mifandraika amin’ny sori-dalàna sy politika efa voafaritry ny lalàna 2020-003 momba ny famokarana biolojika sy ny paikady nasionaly momba izany, izay efa nampiharina ny taona 2022.

Andrasana amin’izao fiaraha-miasa izao hoy Atoa Heriniaina RAMBOATIANA, Filohan’ny SYMABIO « ny hampiroboroboana hatrany ny famokarana biolojika eto Madagasikara ny hampivoarana ny tsena anatiny ary indrindra hanatsarana ny endrik’i Mcar eo amin’ny tsena ivelany. Mbola malalaka ny tsena amin’ny vokatra biolojika ary mitombo hatrany ny taham-panondranan’i Madagasikara hatramin’izao».

Ho an’ny MINAE, ny fampiroboroboana ny famokarana biolojika sy voly rakotra dia fanoitra lehibe hampivoarana maharitra ny sehatry ny famokarana, ny fiainana sy ny fahasalaman’ny mponina, ny fitantanana maharitra ireo loharanon-karena voajanahary, ny fitandrovana ny karazan-javaboary  ary ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nanamafy Atoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON fa « ezaka ataon’i MINAE ny mivoy ny famokarana biolojika mba hanomezana sakafo ara-pahasalamana ny mponina sy hampienan’ny tantsaha mpamokatra ny fampiasana ny zezika simika, izay hita fa lafo vidy nohon’ny krizy izay mitranga any Ukraine ».

Marihina fa anisan’ny voaasa manokana handray anjara amin’ny fampiratiana maneran-tany ny vokatra biolojika izay ho atao any Alemana i Madagasikara, ka ezahana ny hampamiratra antsika amin’izany.

—————————————————–

RENFORCEMENT DE COOPERATION ENTRE LE MINAE et LE SYMABIO POUR PROMOUVOIR L’AGRICULTURE BIOLOGIQUE

Depuis 2017, plusieurs activités ont été menées ensemble entre le MINAE et le SYMABIO qui ont abouti à la promulgation de la loi sur l’agriculture biologique en juillet 2020, suivi de l’élaboration de la Stratégie Nationale sur l’Agriculture Biologique.

Afin de formaliser et de renforcer la coopération entre les 2 entités, une signature de convention de partenariat a eu lieu ce 20 juin 2022 à Anosy. La présente convention a pour objet de définir les objectifs et les modalités de coopération entre le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage (MINAE) et SYMABIO en matière de soutien au développement de l’agriculture biologique à Madagascar, en cohérence avec le cadre juridique et politique défini par la loi 2020-003 sur l’agriculture biologique et la Stratégie Nationale sur l’Agriculture Biologique (SNABio) adoptée en 2022.

Selon Heriniaina RAMBOATIANA, Présidente de SYMABIO, « le partenariat devrait permettre de continuer à promouvoir la production biologique à Madagascar pour développer le marché intérieur et surtout améliorer l’image de Madagascar sur les marchés extérieurs. Le marché des produits bio est encore large et le taux d’exportation de Madagascar continue de croître.»

Pour le MINAE, l’objectif est de promouvoir l’Agriculture biologique et l’Agroécologie en tant que levier de croissance durable du secteur Agricole, du bien-être des populations et leur santé, la gestion durable des ressources naturelles et la préservation de la biodiversité, et de l’adaptation au changement climatique. Ainsi, le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON, a souligné que « le MINAE s’efforce de promouvoir la culture biologique pour fournir une alimentation saine à la population et de diminuer l’utilisation des engrais chimiques par les agriculteurs, qui se sont avérés plus chers à cause de la crise en Ukraine ».

Notons que Madagascar fait partie des invités officiels à l’exposition mondiale des produits biologiques qui se déroulera en Allemagne.

Retour

Comments are closed.