FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA HO AN’NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO

16 jona 2022. Taorian’ny fikaonan-doha isam-paritra izay notanterahina ny 27 mai 2022 ka namoahana ireo tolo-kevitra entina hanafainganana ny fanovàna ny sehatry ny famokarana sy hamaliana ny filana ara-tsakafon’ny mponina, dia nosokafan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fomba ofisialy anio ny fihaonambe nasionaly ho fandravonan-kevitra ka ametrahana ny drafi-pampandrosoana ny sehatry ny famokarana eto Madagasikara.

Fiaraha-mientan’ny mpiray antoka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny ho avy mamiratra, ka nampivondronana ireo andrim-panjakana, mpiara miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, raiamandreny ara-panahy, solontena avy amin’ny vondrom-bahoaka ifotony na fikambanana, na sehatra tsy miankina, na fiaraha-monim-pirenena.

Nisy ny fanoloran’ny solon-tenan’ny delegasiona eropeanina eto Madagasikara ny antontan-kevitra « Profil des systèmes alimentaires de Madagascar » ho an’ny Fitondram-panjakana malagasy.

Nivoitra nandritry ny tahala nifampiresahana ny tapak’andro maraina fa fitaovana lehibe iray entin’ny MINAE mizotra makany amin’ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly hampandrosoana ny sehatry ny famokarana ny « forum B2B » momba ny agribusiness, izay hotanterahina ny 18 jona 2022. Sehatra hahafahana manosika ny famokarana amina velaran-tany lehibe, entina mampivoatra bebe kokoa ny famokarana tantanam-pianakaviana sy ny tanora. Tanjona ny fampifandraisana ireo manana vokatra, ireo mpandraharaha, ireo manana tetik’asa, ireo manana tany tiana trandrahana, ireo mpitady famatsiam-bola, ireo mpividy vokatra, sns ka hampitomboana ihany koa ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny famokarana.

« Hiara-hanafaingana ireo fanovàna isika », hoy Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Haridy RAMILISON, « hahavoky sakafo ireo Malagasy havantsika, namantsika, hitondra otrik’aina ilain’ny fitomboan’ny zanatsika, hitondra ny tanjaka ilain’ireo miasa ny tany ».

Maro ireo tsoankevitra nivoitra, ary anisan’ny nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA ny fampiakaran-danja ny toeran’ny tantsaha malagasy, amin’ny fametrahana isaky ny distrika ny « Antenimieran’ny tantsaha » na ny « Chambre de l’Agriculture ».

Comments are closed.