Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tantely teto Madagasikara

Tao Morondava no natao ny fankalazana nasionaly  ny andro manerantany ho an’ny tantely teto Madagasikara ny 20 Mey 2022, izay notarihin’Andriamatoa Ministra lefitra misahana ny fiompiana Dr RAYMOND, notronin’ireo manampahefana tao an toerana .

Teny nifanentanana tamin’ity taona 2022 ity ny  hoe “ Andao hiara-hiasa ho fiarovana ny tantely”, satria  biby tena manandanja eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao ny tantely noho ireo vokatsoa entiny eo amin’ny  sakafo sy fanafody ary ho firindran’ny tontolo iainana. Nanamarihana ny fankalazana ny fifanakalozan-kevitra mafonja sy ny famelabelarana nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ho fanatsarana ny seha-pihariana tantely. Lohahevitra miisa 6 no novelabelarina tamin’izany dia : ny teknika famokarana tantely , ny antanatohatra arahina mba ahazoana fankatoavana ara-panjakana sy ny fahasalaman’ny tantely, ny fizohiana ny seha-pihariana tantely na “traçabilité”, ny tohana nentin’ny Tetikasa AD2M izay eo ambany fiahian’ny MINAE mahakasika ny Fiompiana tantely ary farany dia ny Vovonan’ny mpiompy tantely Menabe ( FITRAME).

Nivoitra nandritry ny fifanakalozan-kevitra ny fahavononan’ny rehetra hiaro sy hampiroborobo ny lalam-pihariana tantely izay mifanojo indrindra amin’ny Velirano faha-9 ny Filoham-pirenena dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vinan’ny MINAE ny hanana seham-pihariana mamokatra tsara sy mahomby hampiakarana ny taham-bokatra, ny hanitatra ny farim-pamokarana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny andian-tantely ary ny hampiakarana ny taham-panondranana hatramin’ny 30%.  Ho mariky ny fankalazana dia notolorana fitaovana fakana  ny ranon-tantely na “extracteur” iray avy ny kaoperativan’ny Mpiompy tantely  ao amin’ny faritry Menabe sy ny ao  amin’ny faritry Melaky. Tohana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny varotra fampirantiana nataon’ireo Kaoperativan’ny mpiompy ny fankalazana ka nanamafy ny Ministra lefitra misahana ny fiompiana fa “Manana ny herijika hampivelarana ny fiompiana tantely ny faritra Menabe, manana karazan-kazo  toy ny voamboana, ahidambo, indrindra fa ny mokonazy izay ahazoana karazana ranon-tantely be mpitady eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany”.

Bibikely  tena mila arovana ny tantely

Ny  75% ny zava-maniry eto amin’izao tontolo izao,  na ahazoana sakafo io na zava-maniry hafa , dia  miankina amin’ny  ny asan’ny tantely  no  ahafahany  mamoa sy manome taranaka . Ny  tantely no manao ny asa famindram-bovombony mandritra ny fotoana hakany ny sakafony eo amin’ny felan’ireo zava-maniry ireo . Mahavita  miremby hatramin’ny 5km manodidina  azy izy amin’izany  ka  dia miantoka ny fitohizana sy faharetan’ny fiainan’ireo zava-maniry ireo.

Ankoatran’izay asa lehibe  ataony  izay dia miasa ho famokarana ny ranon-tantely ihany  koa izy  . Sakafo manandanja  hoan’ny olombelona , ilaina amin’ny  fanjarian-tsakafo satria mahasolo siramamy ary  misy otrikaina isan-karazany toy ny vitamina  B,C,E, mitondra potasioma sy manezioma.  Ahitana singa maro hoan’ny fitsaboana ihany koa   ka manasitrana aretina maro.   Ny savoka, ny “propolis”, ny “gelée royale”  dia  vokatra  mahasoa mbola  omen’ny tantely antsika olombelona avokoa  .  Efa an-taonany  maromaro izao no voalaza fa tandindomin-doza ny tantely . Mila ho ringana sy lany taranaka noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny  fandripahana ny ala, ny doro tanety,  fa indrindra noho ny fampiasàna  tsy araka ny tokony ho izy ny  fanafody simika mamono bibikely . Eo ihany koa ny fahavalony  dia ny samoina sy  ny aretina na katsentsitra toy ny  Varoazy . Izany indrindra no antony nifanentanana  ny  handraisan’izao tontolo izao ny andraikiny  ho fiarovana ny Tantely  sy ny tontolony.

Miasa miaraka ho fiarovana ny Tantely

Vokatra notazana fotsiny ny tantely tany am-piandohana  fa noho  ireo soa marobe nentiny dia nitadiavan-kevitra  ny  fiompiana azy ary nielim-patrana maneran-tany izany. Firenena  manondrana  tantely  i  Madagasikara  ary efa nahazo  loka manokana  tany ivelany noho ny kalitaon’ny vokatra naondrana .Tamin’ny taona  2020 dia  tantely milanja  53 206 Kg no naondrantsika , ary vina ny mbola hampiakarana izany hatrany . Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny alalan’ny DAPA na Foibem-pitondrana misahana ny fanohanana ny famokarana ara-mpiompiana no miahy ny mpiompy tantely. Miasa  ho fampivoarana ny fiompiana tantely mba hampitomboana ny vokatra  miaraka amin’ireo fandaharanasa sy tetikasa maro  toy ny  AD2M , ny DEFIS, …., mijery manontolo ny lalam-pihariana tantely satria olona maro no mivelona amin’io sehatra io.

Miisa 11 ny toerana fikirakirana ny tantely efa nahazo fankatoavana tamin’ny DSV na Foibem-pitondrana misahana ny sampandraharaha Veterinera , miahy sy mitily ny fahasalaman’ny biby eto amintsika . Foibem-pitondrana eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana , ary misahana ny fankatoavana ny fahatsaran’ny vokatra tantely ihany koa. Efa tsapan’ireo mpiompy ny mahazava-dehibe ny fiompiana tantely ka ivondronan’izy ireo anaty Fikambanana sy Kaoperativa ho fanatsarana ny fidiram-bolany. Efa nijoro tamin’ny taona 2018 ny Vovonana Nasionalin’ny Tantely izay manana tanjona hanatsara hatrany ny vokatra. Ho fiarovana ny tontolo iainana, dia fepetra napetraky ny mpiompy tantely ny tsy maintsy hambolen’ny mpikambana hazo miisa 20 isan-taona fara-fahakeliny ho fanatevenana ny ala.

Retour

Comments are closed.