Atrikasa fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho fanatsaràna ny famokarana lavanila

Notanterahina ny 18 may 2022 tao Anosy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fandaharanasa FORMAPROD, ny tetikasa PEJAA, ny EFTA Analamalotra, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana, sy ny tetikasa USAID Hay Tao, fiaraha-miasa mifototra amin’ny fanatsaràna ny lasi-piofanana momba ny famokarana lavanila eto Madagasikara.

Nohon’ny fangatahan’ny « Plateforme National de la vanille » ny taona 2012 dia novolavolaina ny drafi-pampanofanana momba ny fikirakirana ny lavanila, manomboka eo amin’ny famokarana hatramin’ny famarotana.

Isan’ny fitaovana iray hahafahana manatsara ny famokarana ny fanofanana ny mpamokatra ka Ilaina araka izany ny fanatsaràna ny kalitaon’ny fampiofanana, hahafahana manatsara ny teknikam-pamokarana sy mamaly ny kalitao ilain’ny tsena. Mila jerena ihany koa ny fahafan’ny mpamokatra miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana. Izany indrindra no isan’ny antony namolavolana ity drafi-pampanofanana ity.

Vondron-taranja 6 lehibe no iompanan’nydrafi-pampanofanana dia ny (1) ny teknikam-pamokarana lavanila, (2) Fanomanana ny lavanila, (3) fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, (4) ny resaka tsena sy ny serasera, (5) ny Fitantanana ny fitrandrahana ary (6) ny fandrafetana ny vondron’ny mpamokatra.

Ny taona 2019 no nankatoavina ity drafi-pampanofanana ity. Hanomboka nyvoalohan’ny volana jona izao ny fampiharina azy anaty fampiofanana misehatra amin’ny famokarana ka ao amin’ny ivotoeram-pikotrehana PEJAA EFTA Analamalotra no hanombohana izany. Ny USAID Hay Tao no hamatsy vola ity asa ity ary ny fandaharanasa FORMAPROD kosa dia afaka hanome tohana amin’ny fanombohan’ireo mpiofana rehefa vita ny fiofanana. Miisa 30 ireo mpamboly lavanila hisitraka ity fiofanana andiany faharoa ity, ary ny famoahana ireo andiany voalohany kosa, miaraka amin’ny fanolorana ofisialy ity lasip-panofanana ity dia ho tanterahina afaka herinandro vitsy.

Aorian’ny fampiofanana araka izany dia toky hitovy avokoa ny fahaiza-manaon’ireo mpamokatra misehatra eo amin’ny famokarana lavanila. Mbola hihitatra any amin’ny ivotoeram-pampiofanana hafa ny fampiharana ny drafi-pampanofanana.

—————————————-

Atelier de signature de la convention pour la promotion de la filière vanille

Le Programme FORMAPROD, le projet PEJAA, l’EFTA Analamalotra, des projets sous tutelle du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, et l’USAID Hay Tao, a procédé à la signature du protocole de collaboration pour l’amélioration du référentiel de formation de la filière vanille à Madagascar, le 18 mai 2022 à Anosy.

A la demande du Plateforme National de la Vanille en 2012, un référentiel autour de la filière vanille, de la Plantation jusqu’à la commercialisation a été élaboré.

La formation des producteurs constitue un des outils permettant d’améliorer et de promouvoir la production. Par conséquent, l’amélioration de la qualité de formation est indispensable afin d’améliorer la technique de production et notamment de répondre aux besoins du marché. La résilience des producteurs face au changement climatique est également une priorité. D’où l’élaboration de ce référentiel.

Six modules constituent le référentiel à savoir (1) la technique de production de la vanille, (2) la préparation de la vanille, (3) la gestion durable des ressources naturelles et le changement climatique, (4) le marketing et la communication, (5) la gestion de l’exploitation et (6) la structuration des OP.

Le référentiel a été déjà validé en 2019. Son application dans les programmes de formation agricole va débuter au mois juin 2022 au niveau du centre de formation EFTA Analamalotra. Ce projet est financé par l’USAID Hay Tao et le Programme FORMAPROD pourra appuyer matériellement et techniquement les producteurs après la formation . 30 planteurs de vanille vont bénéficier de cette deuxième promotion, et la sortie de promotion de la première promotion avec la remise officielle de ce référentiel se tiendra dans quelque semaine. Il est attendu à l’issu de la formation que ces planteurs de vanille auront le même savoir-faire autour de la production de la vanille. L’application du référentiel va bientôt s’étendre dans les autres centres de formation et régions.

Retour

Comments are closed.