Averina ho sompitra ara-tsakafo I Madagasikara amin’ny alalan’ny fikarohana masomboly tsara kalitao sy voamarina

Fanamby ifarimbonana ankehitriny ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Noho izany, zava-dehibe ny  fametrahana rafitra ara-tsakafo mateza sy maharitra. Anatin’izany ny fanamafisana ny lafin’ny fikarohana sy ny famokarana.

Nisy araka izany ny fitokanana fotodrafitrasam-pikarohana manara-penitra, ny 11 mai 2022, teo anivon’ny FOFIFA, dia ny  laboratoara misahana ny fahasalaman’ny voly izay nohavaozina sy nasiana fitaovam-pikarohana manara-penitra ary ny trano fitaratra “serre”  fanaovana andrana sy fampitomboana masomboly, izay tafiditra ao anatin’ny  tetikasa FOODSEC, natrehan’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Ministry ny fambolena sy ny Fiompiana ary  ny  Ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Miantoka ny fahatsaran’ny vokatra ny fananana sy fampiasana masomboly voamarina sy tsara kalitao. Atao ny “fikarohana” ara-pambolena mifanaraka amin’ny  filàna sy ny zava-misy satria zava-dehibe loatra ho an’ny fiveloman’ny tantsaha ny famokarana lavitry ny aretina sy ny biby kely mpanimba ny voly ary famokarana mahatanty ny maintany sy ny tondran-drano. Ilaina araka izany,  ny fanamafisana sy fanatsarana ny seha-pikarohana sy ny famokarana masomboly salama, tsara kalitao sy manara-penitra.

Ny laboratoara fitiliana sy famantarana ireo fahavalon’ny voly dia hanamafy ny rafitra ara-pahasalamana sy fanatsarana ny voly ary koa ny fiaraha-miasa ara-tsiansa miaraka amin’ireo laboratoara manokana momba ny mpanimba ny voly  eto  Madagasikara. Hampivelatra ny  fiaraha-miasa iraisam-pirenena ihany koa araka izay azo atao, hahafahana mifehy sy mamantatra ary mitantanana ny aretina mpahazo ny voly.

Ny trano fitaratra “serre” dia toerana fanaovana andrana sy famokarana masomboly, toy ny taho-mangahazo sy katsaka tsy misy otrikaretina, ary koa ho an’ny fandalinana ny biolojian’ny bibikely mpanimba ny voly.

Nanambara ny Filoham-pirenena  nandritry ny lanonana fitokanana  fa  “efa mamokatra masomboly mahatanty ny aretina sy ny bibikely mpanimba ny voly isika nohon’ny  fisian’ny  FOFIFA (Foibem-pirenena momban’ny fikarohana eny ambanivohitra)  efa maro ihany koa hoy izy  ireo karazam-boly tsara karazana izay vatsiantsika any ivelany, vokatry ny fikarohana Malagasy”.  

Marihina fa hisy ny “Fikaonan-doha Nationaly” mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay ho atao, dingana lehibe  hamerenana indray ny maha  sompitra ara-tsakafo an’I Madagasikara

Redevenir un grenier alimentaire à travers le renforcement des recherches agricoles.

Le laboratoire de santé des plantes et les serres d’expérimentation et de production variétale du Centre National de Recherche Appliqué au Développement Rural (FOFIFA) a été inauguré le mercredi 11 mai 2022 par le Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA.

Selon le Président de la République, ces infrastructures sont d’un intérêt stratégique majeur pour le développement du secteur agricole à Madagascar. En effet  ces infrastructures vont contribuer à la mise en place d’un système alimentaire durable et au renforcement des recherches agricoles à Madagascar. Il représente également un enjeu de taille dans la lutte contre le changement climatique à travers la production de semence de qualité et certifié garant d’une agriculture performante résiliente et résistante aux effets du changement climatique et aux ravageurs.

Ces deux infrastructures sont dédiés à l’identification des problématiques phytosanitaires des cultures, l’identification des ennemis des cultures et des alliés des cultures dans le but de favoriser une agriculture durable, d’améliorer la productivité d’atteindre l’autosuffisance alimentaire et que Madagascar redevienne un grenier alimentaire.

Le laboratoire de santé des plantes va renforcer le dispositif en santé et en amélioration de culture ainsi que la collaboration scientifique avec les autres laboratoires spécialisés en bioagresseur à Madagascar et développer les collaborations internationales. Les serres d’expérimentation et de production sont destinées à la production de boutures de manioc indemne de virose et également à l’étude de la biologie des bioagresseurs des cultures.

Il est à noter que le FOFIFA produit déjà en collaboration avec le SOC des semences de qualité et certifié déjà utilisées par les producteurs Malagasy et également importées à l’ étranger comme le « Lingot Blanc » et les boutures de manioc « Vitroplants »

La mise en place de ces deux infrastructures entre dans le cadre du projet FoodSec financé par l’Union Européenne, mis en ouvre à Madagascar depuis 2021 dans les régions Vakinakaratra, Analamanga, et Itasy par le FOFIFA avec l’appui du CIRAD.

Retour

Comments are closed.