Ranom-panafody famonoana valala 40 000L avy amin’ ny Fanjakana Marokanina.

Ho fanantanterahina ny drafitrasa amin’ ny ady ho famongorana ny valala eto Madagasikara 2021/2022 dia nanolotra ranom-panafody famonoana valala (chlorpyrifos 240 ULV) 60 000 litatra ny “Fanjakana Marokanina”. Izany dia tafiditra ao anatin’ ny fiaraha-miasa telotonta iarahan’ ny Fanjakana Marokanina, ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny FAO.

Efa mihakely ny fanafody sisa tavela hafahana manantanteraka ny ady amin’ ny valala ka izay no antony nandefasana ny ampahan’ireo fanafody 40 000 L avy amin’ ny Fanjakana Marokanina tamin’ ny fiaramanidina izay tonga teny amin’ ny seranam-piaramanidina ny 20 aprily 2022 teo. Tanjona ny hamehezana haingana ny firongatr’ ireo andiam-balala, ny fiarovana ny volin’ ireo tantsaha any amin’ faritra misy valala ary ny fiarovana ny fiharian’ ireo tantsaha ireo.

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 21 aprily 2022 teny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato Antananarivo ireo fanafody famonoam-balala (chlorpyrifos 240 ULV) 40.000 litatra ireo. Ny drafitrasa ho amin’ny ady atao amin’ny valala amin’ity taona 2021-2022 ity dia hampiasa ranom-panafody 140.000 L harakotra velaran-tany mirefy 140.000 ha misy ireo andiam-balala eto amintsika. Ankehitriny 122 000Ha ny velaran-tany efa nanaovana famendrahana sy voaaro.

Marihina fa ireto fanafody famonoam-balala ireto dia mitandro sy manaja ny fiarovana ny tontolo iainana tany amin’ny toerana niaviany,ny kalitaon’ny fanafody dia voamarin’ny laboratoara ary neken’ireo telo tonta Maraoka,Madagaskara,FAO.Ny barika itoerana dia misy ny marika mazava tsara mifandraika amin’ny tari-dalana avy amin’ny FAO sy ny OMS

Lutte acridienne : 40 000 l de pesticide du Royaume du Maroc

Dans le cadre de la mise en œuvre de la lutte antiacridienne à Madagascar, le Royaume du Maroc à travers un processus de triangulation Royaume du Maroc- Madagascar via la FAO a fait don de 60 000 litres de pesticides conventionnels (CHlorpyrifos 240ULV).

En effet les pesticides nécessaires pour les traitements ont été épuisés depuis le mois de mars ralentissant ainsi la lutte acridienne. Cette dotation arrive à point nommé  va permettre de maitriser le développement des criquets migrateurs ainsi que les infestations acridiennes, Elle permettra également de protéger les champs de cultures des exploitants agricoles des infestations acridiennes et d’assurer les moyens de subsistances de ces EA.

Sur les 60000 litre issus de cette triangulation, 40 000 litres ont été acheminés par voie aérienne et sont arrivés le 20 avril 2022.les pesticides ont été homologués certifiés pour la lutte antiacridienne et ne présente aucune menace pour les cultures, pour la santé humaine ainsi que pour l’environnement. La réception officielle des 40 000 litre de pesticides s’est tenue le 21 avril 2021 sur le tarmac l’aéroport d’Ivato.

Notons que le plan de lutte 2021/22 prévoit 140 000 de pesticides conventionnels. 60 000 sont issus de la triangulation 80 000 issu du projet Mionjo avec l’appui de la banque mondiale. Depuis le début de la campagne 122 000 hectares ont été traités et protégés.

Retour

Comments are closed.