Mamokatra ny tany rehefa voakarakara

Paikady apetraky ny MINAE ho fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanitarana ny velaran-tany volena sy ny famporisihana ny mpandraharaha hisehatra amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana. Ny fanitarana ny velaran-tany dia hampitombo ny vokatra ary ny firotsahan’ny mpandraharaha dia hiteraka asa ho an’ireo tanora ary hanana mpandray vokatra ireo tantsaha manodidina satria hiompana amin’ny famokarana ny akora ilain’ny mpandraharaha ny vokatra. Noho izany dia hitombo ny vokatra, hitombo ny vola hiditra ao an-tokantranon’ireo tantsaha ary hiakatra ny harin-karena malagasy.

 Mifandraika amin’izay indrindra ny andrana tamin’ny velaran-tany 300ha tao amin’ny fokontany Arintany, kaominina Ambinaniroa (Andonaka), Distrikan’Ambalavao, izay novelana voanjo sy voanjobory ary tsaramaso. Andrana izay niarahan’ny faritra Matsiatra ambony sy ny mpamokatra tao an-toerana ary ny sampandraharahan’ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) niasa. Ny DRAE no nanome ny tracteur, ny faritra no nanohana ara-pitaovana amin’ny famadihana ny bainga sy ny masomboly ary ny tantsaha no nikarakara ny fambolena. Andrana entina hisintomana ny mpandraharaha sy ny fanjakana hitodika amin’ny fampiroboroboana ny kaominina.

Tonga nijery ifotony ny vokatry ny fiaraha-miasa ny governoran’ny  faritra, Lova Paupil Razafindrafito sy ny mpandrindra nasionalin’ ny fandaharanasa DEFIS, Pierrot Serge RANDRIANARITIANA ary ny tale Jeneralin’ny FDA, Fanja RAHANTAMALALA, ny  faha-20 ny volana aprily 2022. Hita fa lasa mamokatra ilay tany lava volo rehefa navadibadika ny bainga ka voafolaka satria dia  vokatra ny voanjo sy ny voanjobory ary maniry tsara ny tsaramaso. Izany dia noho ny fahavononan’ny tsirairay sy ny fiaraha-misalaha ary ny fandraisana andraikitra.

Mbola tsy tomombana tsara anefa ny famokarana izay ataon’ireto tantsaha ka izay no angatahan’izy ireo fanampiana amin’ny fandaharanasa DEFIS momba ny fanamboarana ny tohadrano sy ny lakandrano ary ny fitehirizana ny vokatra; sy fanohanana avy amin’ny FDA amin’ny lafiny ara-teknika sy fampitaovana ary ny masomboly ; eo ihany koa ny lafiny ara-barotra.

Maniry ny hisian’ny milina fanodinana ny voanjo ho menaka ny tantsaha ao amin’ny kaominina Ambinaniroa satria mbola manana eo amin’ny velaran-tany maherin’ny 20.000ha izy ireo azo amokarana ny akora voanjo. Marihana fa ny voly mangahazo dia efa voaporofo fa tena mety ihany koa ao amin’ny kaominina ho an’ireo mpandraharaha izay vonona hanangana milina fanodinanana mangahazo ho lafarinina sy éthanol. 

Retour

Comments are closed.