Fankatoavana ara-panjakana ny karazam-bary Mangafototra

Rehefa natao andrana nandritry ny 2 taona nanarahana ny processus d’homologuation ny vary an-drano atao hoe « mangafototra » ao amin’ny faritr’i Ihorombe dia hita fa tsara ny karazam-bary eo amin’ny lafin’ny vokatra izay nahita 6 ka hatramin’ny 8T/ha tamin’ny andrana sy eo amin’ny lafin’ny toetoetra.  Vary tafiditra amin’ny karazam-bary atao hoe riz de luxe ireny ity vary mangafototra ity noho ny fananany  voany lava sy fotsy ary manana tsiro miavaka. Ka tonga eo amin’ny dingana famaranana izy ankehitriny ho amin’ny fankatoavana ara-panjakana ka ho tafiditra ho isan’ny karazana masomboly eto Madagasikara, izany hoe vary ara-dalana sy manara-penitra izay azo vokarina sy aparitaka eny anivon’ny tantsaha.

Niara-dalana tamin’ny tantsaha hatrany am-boalohany ny MINAE tamin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS izay manohana ny rohi-pihariana vary. Niara-nisalahy tamin’ny FIkambanan’ny MPamokatra VAry na FIMPAVA tao ihany koa ireo ratsa-mangaikan’ny ministera dia ny DRAE, ny FOFIFA ary ny SOC. Aorian’izao fankatoavana izao dia hitady mpandraharaha iarahana hiasa ahafahana mampitombo ny masomboly ny ministera  sy ny hametraka vala fakantahaka. Tanjona dia ny hamatsy ireo tsena lehibe amin’ity vary mangafototra ity.

Retour

Comments are closed.