FAMPITOMBOANA ISA NY TEKNISIANINA

Natombokin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RAMILISON Harifidy, tamin’ny fomba ofisialy ny 05 Aprily tao amin’ny EFTA Ambatobe ny taom-piofanana an’ireo mpiasam-panjakana voafantina miisa 50. Izy ireo izay naneho fahavononana ny hanovo traikefa sy fahaiza-manao momba ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana eny anivon’ny EFTA Ambatobe sy eny anivon’ny EFTA Iboaka Fianarantsoa, ka ho lasa teknisianina. Tohanan’ny tetikasa FORMAPROD izay eo ambany fiahian’ny MINAE ary vatsian’ny FIDA vola ny fiofanana.

Ny Velirano faha-9 dia ny fahavitan-tenan’ny malagasy ara-tsakafo no iandraiketan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mifandraika amin’izany ihany koa ny vina ny haha-moderna ny seha-pamokarana Malagasy. Koa mba ahatongavana amin’izany dia mila fanampiana ireo tantsaha, mila olona manome toro-hevitra ara-teknika sy mizara traikefa. Tsy ampy anefa ireo teknisianina eny ifotony sy manakaiky ny tantsaha koa izay no antony nilatsahan’ireto mpiasa teto anivon’ny ministera ireto hanamafy ny traik’efa ka hisehatra amin’ny maha-teknisianina eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana.

Natao ihany koa ny fiofanana mba hanana tanora ho lasa mpitondra fanavaozana sy fampandrosoana amin’ny fakan-tahaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary hitondra ny anjara biriky amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.

RENFORCEMENT DU NOMBRE DE TECHNICIEN DE PROXIMITE

Le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Harifidy RAMILISON a  présidée la cérémonie du lancement officiel de la formation professionnelle de 50 fonctionnaires du MINAE, le 05 Avril 2022 à Ambatobe. Avec l’appui du FORMAPROD, un projet sous-tutelle du MINAE et financé par le FIDA, ces agents de l’administration du MINAE sélectionnés vont suivre une formation à  l’EFTA Ambatobe et l’EFTA Iboaka, Fianarantsoa, pour devenir des techniciens agricoles.

Le velirano n°9, l’autosuffisance alimentaire qui incombe  le MINAE prend en compte également la modernisation et le professionnalisme de la productivité. Pour son accomplissement, les paysans producteurs ont besoins de soutien et d’appui technique en savoir-faire de la part de techniciens de proximité. C’est dans cette optique que les agents de l’administration ont manifesté leurs volontés de renforcer leurs compétences et d’apporter leurs contributions au développement rural.

De même, cette formation permettra d’avoir des jeunes promoteurs de modernisation et de développement du monde rural. Ils participeront également à la réduction de l’insécurité alimentaire à Madagascar.

Retour

Comments are closed.