ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO

Niara-dia tamin’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny filohan’ny Fondation Mérieux mivady tany Taolagnaro, Faritra Anosy, ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, nijery ny orinasa Nutrisud mpamokatra fanampin-tsakafo. Nutrisud, tetikasa novolavolain’ny vadin’ny Filoham-pirenena izay ahitana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana Fitia sy ny Fondation Mérieux ary ny Nutriset.

Kapik’nakà na koa hoe voanjoko no anaran’ilay fanampintsakafo izay entina hanohanana ara-tsakafo sy hamonjena ireo zaza any atsimo. Efa 9000 mahery ireo ankizy ao amin’ny Faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana no efa nisitraka maimaim-poana ny kapik’nakà nanomboka ny volana janoary ary 120.000 hafa no heverina ho tratrarina manomboka ny volana ho avy izao.

Ny famokarana ataon’ny tetikasa dia ezahina hatsaraina sy hivelatra hatrany hifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filana eto Madagasikara. Koa manana paik’ady ny hivoatra sy hamokatra karazana fanampin-tsakafo vaovao izay hanome vahana ny fampiasana ireo akora hafa vokarina eto an- toerana ny tetikasa ankehitriny izay iaraha- miasa amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny GIZ.

Hitondra fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena araka izany ny tetikasa amin’ny fampidirana ireo akora voafantina sy hanome loharanom-bola vaovao ho an’ny tantsaha mpamboly izay mivondrona anaty kaoperativa ary atao laharam-pahamehana amin’izany ny vehivavy.

Marihana fa hanatevin-daharana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo misy any atsimo ihany koa ny Principauté de Monaco.

AMELIORATION NUTRITIONNELLE DES VULNÉRABLES DANS LE SUD

Le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage a accompagné à Fort Dauphin le couple Présidentiel et le couple Mérieux, Président de la Fondation Mérieux pour voir les résultats du projet Nutrisud qui est un projet élaboré par la Première dame de Madagascar afin de lutter contre la malnutrition qui sévit dans le Sud du pays, et mis en oeuvre par l’Association Fitia, la Fondation Mérieux et Nutriset.

Kapik’nakà est le produit nutritionnel à base d’arachide conçu par Nutriset pour s’adapter à Madagascar. 9.697 enfants ont déjà pu bénéficier gratuitement de ce produit. A partir du mois prochain, 120.000 enfants bénéficieront gratuitement de Kapik’nakà.

Le projet ne cesse de s’évoluer et de s’améliorer tout en s’adaptant aux réalités et aux besoins de Madagascar. D’où la perspective de développer des filières agricoles en partenariat avec le MINAE et le GIZ pour intégrer des matières premières de qualité. Ainsi, le projet va contribuer au développement du secteur de l’agriculture tout en créant une nouvelle source de revenus pour les paysans membres des coopératives tout en priorisant les femmes.

Notons que la Principauté de Monaco va s’allier aussi à ce projet de lutte contre la malnutrition dans le Sud de Madagascar.

Retour

Comments are closed.