FIZARANA KETSA HO AN’IREO MPAMBOLY VARY AO AMIN’NY FARITRA ATSINANANA SY FITOVINANY

Ho fanohanana ireo tantsaha sy ho fanarenana ny fambolena vary taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Fitovinany, dia nametraka paikady ny MINAE tamin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny Fiarovana ny Voly (DAPV) amin’ny fananganana tani-ketsa iraisana na “Pépinière Communautaire. Fiaraha miasa amin’ny tetikasa PAPRIZ sy ny Fandaharanasa DEFIS.

Efa maniry ny ketsa ary manodidina ny 32,36 ara ny tani-ketsa iraisana na “Pépinière Communautaire” efa voavoly ankehitriny izay tombanana ahavita manetsa tanimbary mirefy 32 hektara eo eo.

Natomboka ny 28 Mars 2022 tao amin’ny kaominina Marofarihy distrika Manakara arak’izany ny fizarana ireo ketsam-bary avy amin’ireo « pepiniere communautaires » ka mpamboly miisa 302 no efa misitraka izany.

DISTRIBUTION DE PLANTS DE RIZ DANS LES REGIONS ATSIMO ATSINANANA ET FITOVINANY

Afin d’appuyer les agriculteurs et relancer campagne grande saison 2022 de la filière riz dans les zones les plus touchées des cyclones BATSIRAY et EMNATI dans les Régions Atsimo Atsinanana et Fitovinany, le MINAE a établi une stratégie à travers la DAPV pour la mise en place d’une “Pépinière Communautaire” en collaboration avec le projet PAPRIZ et le programme DEFIS.

Environ 32,36 ares de la “Pépinière communautaire” sont maintenant couvèrent de semis, et estimée pouvoir planter environ 32 hectares de rizières.

La séance de distribution de plants de riz issue de ces pépinières communautaires a alors débutée le 28 Mars 2022 dans la commune de Marofarihy, district de Manakara au profit de 302 agriculteurs.

Comments are closed.