PAPRIZ : FANOMEZAN-DANJA NY FEDERASIONINA SY NY KAOPERATIVA

Tanjon’ny tetikasa PAPRIZ izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana hatrin’ny niatombohany dia ny fampitomboana ny voka-bary. Ka dingana vaovao no  hifantohan’ny tetikasa ankehitriny dia ny fanamafisana ny rojopihariana vary. Mifandraika amin’izay indrindra ny fanetsiketsehana sy fanavaozana an’ireo vondron’ny tantsaha izay hery sy andry iankinan’ny fampandrosoana ny fambolena toy ny federasionin’ny PC23 izay efa naira-niasa nandritry ny 2 taona tamin’ny tetikasa ka lasa ho isan’ny modely amin’ny fitantanana ny fotodrafitrasa.

Mba hisian’ny fifandrindrana amin’ireo mpisehatra amin’ny rojo-pihariana vary dia nikarakara fitsidihana nifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra sy  traikefa momba ny fanatsarana ny  fomba fiasa ao anatin’ny federasionina sy ny fikambanana ny tetikasa ho an’ny federasionin’ny lemaka Betsimitatatra eto Antananarivo sy ireo federasionin’ny PC 23 ary ny kaoperativan’ny Faritra Alaotra Mangoro, izay natao teto Antananarivo ny 14 ka hatramin’ny 17 martsa 2022. Tanjona ny hampitombo ny fahalalan’izy ireo sy ny hisian’ny fifamatorana ara-barotra amin’ny mpandraharaha izay misehatra amin’ny lalampihariana vary.

Taorian’ny fitsidihana dia nisy ny drafitrasa matotra izay hatsangan’ny federasionin’I Betsimitatatatra ary ho an’ny PC 23 dia nisy ny fanavaozana ny rafitry ny federasionina sy ny fanatsarana ny famatsiana ny hanampamokarana ary  ny fanamorana ny fametrahana ny dina. Ho an’ny kaoperativan’ny faritra Alaotra Mangoro kosa dia nitombo ny fahalalan’izy ireo momba ny fandrindrana ny famokaram-bary manomboka amin’ny vokatra ka hatrany amin’ny varotra sy ny fandrindrana ny fiainan’ny kaoperativa ary manana lisitry ny mpandray vokatra sy ny mpamokatra hanampamokarana izy ireo.

Nndritry ny fivoriamben’ny federasionin’I Betsimitatatra ny 15 martsa 2022 izay fanao isan-taona ary natrehan’ireo avy any Alaotra Mangoro dia tapaka fa ho sokafana ny 15 jolay ny ranon’ny lakandrano GR ary ny voalohan’ny volana aogositra ny ranon’ny farihy Ivato sy Ambohibao.

PAPRIZ : La valorisation des fédérations et des coopératives

Le projet PAPRIZ sous-tutelle du MINAE a toujours œuvré pour l’augmentation de la production rizicole afin d’atteindre l’autosuffisance. Dans sa nouvelle phase, les activités se concentreront dans le renforcement de la chaine de valeur riz. C’est dans cette optique que le projet s’est lancé à la redynamisation des organisations paysannes car ces dernières détiennent le rôle central dans le développement de l’agriculture. Tel est le cas des fédérations du PC 23 de la région Alaotra Mangoro qui a déjà travaillé avec le projet depuis 2 ans et est devenu un modèle pérenne et efficient de gestion des infrastructures hydroagricoles.

Dans le cadre de l’établissement de la synergie des acteurs de la filière, une visite d’échange a eu lieu le 14 au 17 mars à Antananarivo entre la fédération de Betsimitatatra de la plaine d’Antananarivo, les fédérations du PC 23 et les coopératives de la Région Alaotra Mangoro. L’objectif est de valoriser leurs acquis au niveau du Ministère et de les aider à nouer des partenariats innovants entre secteur public, secteur privé et producteurs.

A l’issu de cette visite d’échange, le plan d’action concret de la fédération Betsimitatatra sera établie et pour les fédérations du PC 23, il y aura la redynamisation de la structure des fédérations du PC 23, l’amélioration de l’approvisionnement en intrants des fédérations et la facilitation de la mise en place du Dina.  Quant aux coopératives de la Region Alaotra-Mangoro, leurs connaissances sur l’organisation de  la riziculture de la production jusqu’à la commercialisation seront améliorées, leurs capacités sur la gestion organisationnelle et managériale des coopératives des agriculteurs seront renforcées, et une liste de débouchées potentielles et fournisseurs partenaires sera établie pour les coopératives

Notons que lors de l’Assemblée générale de la fédération #Betsimitatatra le 15 mars 2022 qui a été assistée par les fédérations PC 23, il a été décidé que l’ouverture du canal GR se fera le 15 juillet et celle du lac Ivato et Lac Ambohibao le 1er Aout.

Comments are closed.