FIVORIANA FAMARANANA NY FANDAHARANASA FANOITRA

Fandaharanasa voalohany nipariaka sy niasa tamin’ny faritra maro eto Madagasikara ny FANOITRA na PROSPERER eo ambany fiahin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary vatsian’ny FIDA vola. Mifarana izy ankehitriny ary nanatanteraka ny fivoriana fanehoan-kevitra farany mahakasika ny famaranana ny Fandaharanasa, natao ny Alatsinainy 07 Martsa 2022 tao amin’ny MINAE Anosy.

Nivoitra nandritra izany fa nahafa-po ny zava-bitan’ny Fandaharanasa #FANOITRA nandritra izay 14 taona niasany teto Madagasikara izay hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny MINAE satria 88,43% ny taham-pahombiazan’ny Fandaharanasa amin’ny ankapobeny.

Mason-tsivana maro no nanaovana tombana dia (1) vokatra sy zava-bita, (2) ny fiantraikany eo amin’ny fahantrana any ambanivohitra, (3) ny fampitovian-jo sy fahavitan-tenan’ny vehivavy, (4) ny fahazakana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, (5) ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary ary (6) ny fivoarana sy fampandrosoana goavana.

Tao ihany koa ny namoahana ireo paikady entina hanohizana sy fampaharetana ny zava-bitan’ny Fandaharanasa.

Tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny dia ny hampiroborobo ny hampiakatra ny fidiram-bolan’ireo mpandraharaha madinika (MER) eny amin’ny tontolo #ambanivohitra satria dia tokantrano miisa 107 731 amin’ny 65 270 no nisitraka ny Fandaharanasa ary 139% ny taham-piakaran’ny fidiram-bolan’ireo mpisitraka.

Fandaharanasa feno fampianarana ny PROSPERER hoy ny Talen’ny FIDA vaovao eto Madagasikara, andriamatoa Joseph ROSTAND izay nanatrika ny fivoriana tamin’ny alalan’ny fitaovana ampitain-davitra.

RESTITUTION DE LA MISSION D’ACHEVEMENT DU PROGRAMME PROSPERER

Le Programme PROSPERER, sous tutelle du MINAE, financé par le FIDA est le premier projet à forte décentralisation à Madagascar. Suite à l’atelier national des parties prenantes du Programme, le PROSPERER a effectué la réunion de restitution de l’aide-mémoire de sa mission d’achèvement le 07 Mars 2022 au #MINAE Anosy.

Pertinente, une bonne performance globale, efficace, efficient et capitalisation des acquis et pérennisation ont été les résultats des activités du Programme durant ses 14 années d’investissement dans le secteur agricole malgache avec un taux de réalisation de 88,43%.

Les principales tendances et analyses du Programme se sont basées sur (1) l’effet et produits réalisées, (2) l’impact sur la pauvreté rurale, (3) Egalité des sexes et autonomisation des femmes, (4) l’adaptation aux changements climatiques, (5) Gestion de l’environnement et des ressources naturelles et (6) Innovation et reproduction à plus grande échelle.

Une stratégie de sortie et de durabilité a été mise en œuvre pour les perspectives de durabilité et de la viabilité à long terme.L’objectif global était de promouvoir l’augmentation des revenus des microentreprises rurales (MER).

La performance globale du #PROSPERER est satisfaisante avec 107 731 sur 65 270 ménages bénéficiaires et un taux 139% sur l’augmentation des revenus des bénéficiaires.

« le PROSPERER est un Programme riche d’enseignement » dixit le Directeur du #FIDA par Intérim à Madagascar lors de la réunion avec la Secrétaire Générale du MINAE et les membres du comité de pilotage.

Comments are closed.