Fandaharanasa PROSPERER: fahombiazana ny fisiany tao Boeny sy Sofia

Nifarana ny volana desambra 2021 ny fandaharanasa PROSPERER, izay teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary novatsian’ny FIDA vola. Notontosaina ny zoma 18 febroary 2022 tao Mahajanga araka izany ny atrikasa fakan-kevitra ho fanaovana tomban’ezaka ny fandaharanasa tao amin’ny faritra Boeny sy Sofia.

Loha-hevitra 4 lehibe no nanaovana fikaonan-doha mandritry ny atrikasa mba hahafahana manao tombana ny PROSPERER nandritry ny 13 niasany tao amin’ireo faritra roa ireo, izay notsinjaraina tamin’ny asan-tarika, dia (1) ny fanehoana ny naha-zava-dehibe ny fandaharanasa na ny “pertinence” (2) ny mety ho faharetany eo amin’ireo mpisitraka, (3) ny vokatra nentiny sy ny fiantraikany teo amin’ireo mpisitraka sy mpahazo tombontsoa ary (4) ireo tsikera entina manatsara ny tetikasa na fandaharanasa izay mety mbola ho entin’ny Governemanta malagasy amin’ny alalan’ny MINAE izay vatsian’ny FIDA vola, hanohizana ny asa nentin’ny PROSPERER.

Nivoitra nandritry ny atrikasa fa fahombiazana ny asan’ny PROSPERER tao amin’ireo faritra ireo. « Nisy vokatra tsara nomen’ny fandaharanasa ho an’ny faritra. Ny fandaharan’asa no tapitra fa azo antoka kosa fa hiroborobo ny sehatr’asa navelan’ny PROSPERER » hoy ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa.

Anisan’ny nisongadina taorian’ny fanatanterahana ny atrikasa ihany koa fa zava-dehibe ny nametrahan’ny PROSPERER ny « couplage OP/ OM » izay nanamora ny famarotan’ireo tantsaha ny vokatra, ka nampitombo sy nanatsara ny fidiram-bolan’izy ireo. « Nitombo teo amin’ny 40% ny fidiram-bolan’ireo tantsaha nisitraka ny fandaharanasa PROSPERER » hoy ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa, ary hita ny fihatsaran’ny fari-piainan’izy ireo raha mitaha amin’ireo tantsaha tsy nahazo tohana.

Ankoatra izay dia lesona lehibe notsoahina ihany koa ny fampahaleovan’ny fandaharanasa tena ny vehivavy. Hita taratra fa niha nahaleo tena tanteraka ireo vehivavy izay nahazo tohana avy amin’ny PROSPERER.

Efa misy moa ny rafitra mpandimby na ny « structure relais » napetraka toy ny CADI (Centre d’Appui pour le Développement Intégré) sy ny « Taninketsan_ny_indostria » hapetraky ny eo anivon’ny CCI hanohizana ny asa efa nentin’ny PROSPERER sy hanampiana ny tantsaha amin’ny resaka lalam-barotra.

Tsiahivina fa tanjon’ny fandaharanasa ny hanatsara ny fidiram-bolan’ireo tantsaha mivondrona anaty koperativa ary faritra 9 no niasany dia Sofia, Boeny, Bongolava, Itasy, Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Fatovavy Fitovinany. Nifarana ny volana desambra 2021 moa ny fandaharanasa.

Nandray anjara feno tamin’ny fampiroboroboana sy fanatsaràna ny famokarana ny PROSPERER ho fanatanterahana ny velirano_fahasivy napetraky ny filoha Andry RAJOELINA, dia ny fahavitan_tena_ara_tsakafo.

—————————————————–

PROGRAMME PROSPERER : DES RESULTATS POSITIFS DANS LES REGIONS BOENY ET SOFIA

Après avoir été mis en œuvre dans la Grande Ile durant 13 ans, le programme PROSPERER, sous tutelle du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, financé par le FIDA,  s’est achevé en décembre 2021.

Afin d’évaluer les impacts des actions du programme dans la région Boeny et Sofia, un atelier d’évaluation  a été organisé le 18 février 2022 à Mahajanga.

4 thèmes principaux ont été discutés lors de l’atelier dont: (1) la pertinence du programme (2), sa durabilité vers les bénéficiaires, (3) ses effets et ses impacts et (4) les différentes améliorations qui pourront être apportées aux autres projets et programmes du MINAE.

Tous les participants ont été unanimes durant l’atelier. Les activités du programme PROSPERER dans la région Boeny et Sofia ont connus des succès probants.  

Un des points forts soulevé lors de l’atelier était la mise en place du « couplage OP/OM» qui a permis aux agriculteurs de faciliter la commercialisation des produits, augmentant et améliorant ainsi leurs revenus. En effet,  “les agriculteurs qui ont bénéficié du programme PROSPERER ont pu augmenter leurs revenus d’environ 40 %”, ont déclaré les participants à l’atelier, et leur niveau de vie s’est amélioré par rapport aux agriculteurs qui ne sont pas bénéficiaires du programme.  En termes d’autonomisation des femmes,  celles qui ont reçu le soutien de PROSPERER sont plus  indépendantes.

Les actions du programme  ne doivent pas rester vaines. Aussi est-il important de pérenniser et fructifier les acquis et les bonnes pratiques mis en œuvre. Des structures relais  se chargeront de poursuivre les activités et appuis initié par le programme : la pérennisation des groupements de base, la délivrance des services d’appuis aux entreprises, la gestion des infrastructures construites et la gestion et la diffusion des données. Le Centre d’Appui pour le Développement Intégré (CADI) ainsi que le « Taninketsan’ny indostria » sont les structures relais des régions Boeny et Sofia.

En somme, le Programme a pu atteindre les objectifs qui lui ont été assignés tels que l’amélioration des revenus et a contribué à l’atteinte de l’objectif du Velirano N° 9 du Président de la République de Madagascar qui est l’autosuffisance alimentaire.

Retour

Comments are closed.