Tetikasa PEJAA: tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny

Manodidina ny 250 isan-taona isaky ny kominina ny tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra miditra eo amin’ny sehatry ny asa eto Madagasikara, anefa tsy mahita asa. Tsy mitsahatra mitady vahaolana hanomezana asa ny tanora ny MINAE, manoloana izany, amin’ny alalan’ireo tetikasa sy fandaharanasa eo ambany fiahiany, anisan’izany ny PEJAA na “Programme de Promotion de l’Entrepreneuriat des Jeunes dans l’Agriculture et l’Agro-Industrie”, izay vatsian’ny BAD vola.

Araka izany, nisy ny atrikasa fifampizarana ny fomba fiasa nahomby sy fampahafantarana ny zava-bitan’ny Fandaharanasa tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampananan’asa ny tanora eo anivon’ny MINAE, ny 17 desambra 2021. Izany no natao dia mba hakàna lesona sy hizaràna fomba fiasa tsara, amin’ny fanofanana ny tanora izay handraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Satria mila mpandraharaha matihanina isika hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny vokatra tsara kalitao.

Manodidina ny 80, 07%n’ny asa nofaritàn’ny PEJAA no vita: nahavitàna fanentanana avokoa ny faritra 22 eto Madagasikara, miisa 3 ny ivontoeram-pikotrehana miasa amin’izao dia ny ao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra Antsirabe, SEFAFI Vohipeno ary ny CAFPA Analamalotra. Miisa 409 ny tanora voakotrika hatramin’izao, 214 ny orinasa novatsiana vola, 262 ny tanora nahazo famatsiam-bola ary 1201 ny asa voaforona. Maherin’ny 8 lavitrisa ariary ny fitambaran’ny fampindramam-bola ireo tanora.

Tsiahivina fa tanjon’ny PEJAA ny hanenana ny tsy fananan’asa amin’ny alalan’ny fanodinana sy fanavaozana ny fomba famokarana Malagasy mba hisian’ny fanjarian-tsakafo. Hantenaina ny hitohizan’ny fandaharanasa noho ireo vokatra nahomby ireo.

—————————————————

DES RESULTATS POSITIFS POUR LE PROGRAMME PEJAA1

A Madagascar, environ 250 jeunes en milieu rural par commune par an peinent à trouver du travail. Le MINAE à travers ses projets et programmes à savoir le programme PEJAA, financé par le BAD, est  toujours à la recherche de solutions pour offrir du travail décent à ces jeunes.

Un atelier de capitalisation des bonnes pratiques du programme PEJAA a été ainsi organisé le 17 décembre 2021 dans le but de présenter, à tous les acteurs qui s’ occupe de la formation des jeunes et le développement du secteur agriculture et élevage, ces bonnes pratiques ainsi que les réalisations durant les 3 années de sa mise en œuvre, vu que nous avons besoin d’agripreneurs professionnels pour avoir des produits de qualité et pour assurer aussi la sécurité alimentaire.

En ce qui concerne le programme PEJAA,  80,07 % des activités inscrites ont été réalisés : des actions de sensibilisation ont été réalisé dans les 22 régions, 3 centres incubateurs sont fonctionnels tels que le centre d’incubation FIFAMANOR Andranomanelatra Antsirabe, le centre SEFAFI Vohipeno et le centre d’incubation CAFPA Analamalotra. Au total, 409 jeunes ont été incubés, 214 entreprises financées, 262 jeunes également financés et 1201 emplois ont été créés. Le montant total de prêts bancaire octroyés aux jeunes s’élève à plus de 8 milliards d’ariary.

Rappelons que le programme PEJAA a pour objectif de réduire le chômage à travers la transformation et la modernisation de l’agriculture malagasy avec comme corollaire le renforcement de la sécurité alimentaire et nutritionnelle. Ainsi, au vue de ces résultats probants une deuxième phase du programme PEJAA aurait lieu.

Retour

Comments are closed.