Tetikasa PROFI lait : hampiakatra ny tahan’ny fanjifana ronono na ny vokatra azo avy amin’ny ronono ho 25kg isan’olona isan-taona

Manodidina ny 13 000t isan-taona ny vovo-dronono afaran’ny Madagasikara hamaliana ny filàn’ny mpanjifa. Mbola ambany ihany koa ny fanjifàn’ny malagasy ronono; 12kg isan’olona isan-taona ho an’ny eto andrenivohitra raha 5 kg isan-taona isan’olona izany ho an’ny malagasy amin’ny ankapobeny.

Ho fampiakarana izany salanisa izany sy ho fanatsaràna ny famokarana ronono eto Madagasikara dia natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 15 desambra 2021 ny tetikasa PROFI Lait na « Tetikasa fanatsaràna sy fandaminana ny seha-pihariana ronono amin’ny fomba miaty », izay natrehan’Andriamatoa Tsiry Andriamahatola LEZOMA, Tale Jeneralin’ny Fiompiana ; tetikasa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa AFAFI Centre ary tanterahin’ny MDB.

Tanjon’ny tetikasa ny (1) hanatsara maharitra ny vola mdiditra amin’ireo mpiompy, (2) ny hanatsara ny fanjarian-tsakafon’izy ireo indrindra ny vehivavy sy ny ankizy, ary (3) ny fitandrovana ny tontolo iainana.

Andrasana amin’ny tetikasa ny famokarana ronono ara-patra sy ara-kalitao, label vokatra malagasy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ; ny fiatsarana sy ny filaminan’ny rafitra eo amin’ireo mpisehatra ho fanatsaràna ny lalam-barotra ary ihany koa ny fiatsaràn’ny fanjarian-tsakafon’ireo mpiompy misitraka ny tetikasa. Vinaina hotafiakatra 23kg/taona/olona ny fanjifàn’ny malagasy ronono sy ny vokatara azo avy amin’ny ronono afaka 5taona.

Mpiompy miisa 1400 no kendrena hisitraka ny tetikasa izay haharitra 4 taona ka vehivavy ny 40%. Ny Vondrona eropenaina no mamatsy vola ny tetikasa, izay hifarana ny jona 2025. Faritra roa no hiasany dia Analamanga sy Itasy, anatin’ny kominina 43, distrika 8.

——————————————————–

PROJET PROFI Lait : AUGMENTER LA CONSOMMATION DE LAIT OU PRODUIT LAITIERS A 25KG/PERSONNE/AN

Madagascar importe encore environ 13 000 tonnes de lait en poudre par an afin de répondre aux besoins des consommateurs. En effet le taux de consommation de lait et/ou des produits laitiers à Madagascar est bien inférieur aux recommandations de l’OMS 60kg/personne/an; estimé à 12kg/personne/an pour la capitale et de 5 kg/personne/an pour Madagascar. La production ne suffit pas alors à satisfaire les besoins de la population malagasy.

Pour combler le gap et améliorer la production laitière à Madagascar, le projet PROFI Lait ou « Projet d’Amélioration et d’Organisation de la Filière Lait », un projet dans le cadre du programme AFAFI Centre et mise en œuvre par MDB, a été officiellement lancé le 15 décembre 2021 à l’Havana Resort Ambohidahy, en présence du DGE, Tsiry Andriamahatola LEZOMA.

Ce projet s’inscrit dans  l’amélioration durable des revenus des ménages ruraux et de leur sécurité alimentaire et nutritionnelle, en particulier celle des femmes et des enfants dans un souci de préservation de l’environnement naturel dans la zone périurbaine d’Antananarivo.

1400 éleveurs dont 40% sont des femmes vont bénéficier du projet PROFI Lait qui va durer 4 ans (2021-2025). Ce projet financé par l’Union Européenne interviendra dans 2 régions dont la région Analamanaga et Itasy, au niveau de 43 communes de 8 districts.

Il est attendu à l’achèvement du projet que la production et la qualité du lait et des produits laitiers dérivés respectueux des normes de qualité et d’hygiène standards sont accrues ; la structuration des acteurs de la filière et leur capacité de commercialisation sont renforcés et la consommation des produits laitiers de qualité est sécurisée pour les ménages bénéficiaires. Aussi, la consommation de lait et des produits laitiers sera estimé à 23kg/an/personne après 5 ans.

Retour

Comments are closed.