Farmer business school: manampy betsaka ny tantsaha

Miisa 17 mianadahy ireo mpampiofana “Farmer Business School na FBS”, andiany voalohany notolorana ny mari-pankasitrahana ny 10 desambra 2021 tao amin’ny #ESSA Ankatso. Manodidina 7000 ny tantsaha mpamokatra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Androy ary Anosy voahofan’izy ireo tao anatin’ny 2 taona, izay ho lasa tantsaha mpandraharaha matihanina sy ho modely fa tsy ho tantsaha toy ny mahazatra fotsiny intsony, hananana fomba fiasa na “approche” mitodika amin’ny tsena fa tsy “mamokatra vao hitady tsena”.

Teknika maro no nentin’ny MINAE tamin’ny alalàn’ireo fadaharanasa sy tetikasa eo ambany fiahiany toy ny Prosperer, Formaprod, Defis ary ihany koa ny GIZ/ Prada, nampiharina teny anivon’ny tantsaha mpamokatra mba hahalasa mpandraharaha matihanina azy ireo. Anisan’izany ny fomba fandrefesana ny tany anaovana ny fambolena sy ny fiompiana; ny fanarahana ny tetiandrom-pamokarana, ny fametrahana ny CEP (Champ Ecole Paysan), ary ny Ferme Ecole Paysan

Ity “Approche FBS” ity dia fiaraha-miasan’ny MINAE amin’ny alalàn’ireo tetikasa eo ambany fiahiany niaraka tamin’ny GiZ Prada. Tanjona (1) ny hamokarana mitodika amin’ny tsena, izany hoe mijery ny lalambarotra sy ny filàn’ny tsena izay vao mamokatra, (2) ny fanatsaràna ny vokatra ary (3) ny fampivondronana ireo tantsaha anaty koperativa.

Ny Minisitry ny fambolena sy fiompiana, RAMILISON Harifidy moa ny Ray mpiahy ireto andiany voalohany ireto.

———————————————

FARMER BUSINESS SCHOOL : UNE APPROCHE QUI AIDE BEAUCOUP LES PAYSANS

Afin de promouvoir l’entrepreneuriat agricole et les aptitudes commerciales des petits exploitants agricoles à Madagascar, le MINAE avec l’appui du GIZ/ Prada a mis en œuvre l’approche Farmer Business School (FBS). Pour diffuser cette approche 17 formateurs ont été sélectionnés et formés.

A la suite d’un long parcours de qualification les formateurs sélectionnés sont actuellement prêts à exercer leurs rôles et mission auprès des agriculteurs. Pour marquer la fin de cette formation, une cérémonie de certification de la première promotion de formateurs en Farmer Business School a été organisée le vendredi 10 décembre 2021 dans l’enceinte de l’ ESSA à Ankatso, une cérémonie placée sous le parrainage du Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, RAMILISON Harifidy.

Ces formateurs ont déjà formé près de 7000 agriculteurs issus des régions Atsimo Atsinanana, Androy et Anosy durant leur initiation. Plusieurs techniques issues des différents projets du MINAE tels que Prosperer, Formaprod, Defis ont été inculqué par ces formateurs aux agriculteurs comme la mise en place et la création de Champ Ecole Paysans (CEP) et de Ferme Ecole Paysans (FEP), les techniques de culture moderne et conduite d’élevage ainsi que la prise en compte des calendrier culturaux.

Retour

Comments are closed.