Nisokatra ny taom-mpambolena-bary 2021-2022

Notanterahina ny 30 novambra 2021 tao amin’ny lemaka voatondraka Volodina, fokontany Antsahatanteraka, kaominina Ankadinondry Sakay, faritra Bongolava, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolem-bary 2021-2022. Lanonana niarahan’ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny Governoran’ny faritra Bongolava nokarakaraina, teo ambany fiahian’ny Praiminisitra Ntsay Christian, lehiben’ny Governemanta.

Mitohy hatrany ny fanentanana ny mpamokatra hampiasa ireo teknika sy fitaovana mahomby, ampiakarana ny taham-pamokaram-bary eto Madagasikara. Naseho tamin’izany ny lemaka VITRINE DE L’EMERGENCE RIZICOLE ao Bongolava, izay nanehoana ny fampiasàna fitaovam-panetsana mekanika mahavita ketsa 1hekitara isan’andro. Izany dia niaraka tamin’ny fanolorana “batteuse” sy “vanneuse” ary masomboly 5 taonina sy zezika 6 taonina, santionany amin’ireo fandrisika ho an’ny fikambanana mpampiasa rano mamboly ao amin’ ny lemak’i Bongolava.

Tao Bongolava ihany koa ny nanombohana ara-ofisialy ny fanolorana ny karatry ny mpamokatra ampiasàna ny haitao ara-kajy mirindra na “CARTE DE PRODUCTEURS DIGITALISÉE”.Tombontsoa azo avy amin’ ny fananana izany karatry ny mpamokatra izany ny fahazahona ny hangom-baovao momba ny mpamokatra iray, ny mombamomba azy, ny momban’ ny famokarany ary ireo karazana tohana efa hazony.Manamarika ihany koa ny mahamatianina ny fananana izany katratra izany ary tombony lehibe ny fanamorana ny fahazahoana tohana sy fanampiana avy amin’ ny MINAE sy ireo mpiara-miombonantoka tohin’ireo tetikasa sy ireo mpamatsy vola.

Fotoan-dehibe hiantsoana sy hanetsiketsehan’ny Fitondram-panjakana ireo mpiray antoka, ireo mpiara-dia amin’ny Emergence,ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. “Mitombo hatrany ireo velaran-tany novolena vary ny taona 2 na 3 nifanesy (2018-2021), 1 480 000 Ha no niaingana ka nahazoantsika 4 030 000 taonina; ankehitriny 1 865 910 Ha no tratrantsika tamin’ity 2021 ity ka nahazoana farafahakeliny 4 261 200 T”, hoy ny Minisitra Harifidy RAMILISON, nandritra ny lahateniny.

Lancement officiel de la campagne rizicole 2021-2022

L’ ouverture officielle de la grande campagne rizicole 2021- 2022 s’ est tenue le 30 novembre 2021 dans le périmètre irrigué de Volodina, fokontany Atsahatanteraka, commune Ankadinondry Sakay, district de Tsiroanomandidy, région Bongolava. La cérémonie organisée par le MINAE et le gouvernorat de la région Bongolava  à cette occasion a été placée sous le haut patronage du Premier Ministre Monsieur Ntsay Christian.

Aujourd’hui Le MINAE ne cesse de sensibiliser les producteurs sur l’application des techniques modernes de culture telles le SRI, le SRA et le paquet technique PAPRIZ et l’utilisation de matériels agricoles performants permettant d’augmenter la productivité. Durant la cérémonie une démonstration de repiqueuse mécanisée a été réalisée sur le site Vitrine de l’Emergence Rizicole (périmètre irrigué de Volodina) suivi de la dotation d’une batteuse, d’une vanneuse, de 5T de semence et 6T d’engrais à l’Association des Usagers de l’Eau (AUE) du périmètre.

Le lancement officiel de la campagne rizicole fut également l’occasion d’effectuer la première distribution de la carte de producteur digitalisé. Les cartes de producteurs permettent une meilleure collecte et gestion de données sur les producteurs ainsi que sur leurs exploitations agricoles. L obtentions de cette carte va faciliter l’accès des producteurs aux services d’appui et de financement provenant de l’Etat Malagasy et ou des partenaires financiers. C’est également l’équivalent d’une carte professionnelle en tant qu’exploitant agricole.

Durant son allocution lors de la cérémonie, le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Monsieur RAMILISON Harifidy n’a pas manqué de sensibiliser et mobiliser toutes les parties prenantes de la chaine de valeur rizicole dans l’atteinte de l’autosuffisance alimentaire et de l’autonomie rizicole à Madagascar. En effet les efforts menés et les appuis du MINAE dans la filière riz ont porté leur fruit. La superficie rizicole a augmenté depuis les deux dernières campagnes rizicoles; de 1 480 000 Ha pour la campagne 2019-2020 à 1 865 910 Ha pour la campagne 2020-2021, ainsi que la productivité, qui est passée de 4 030 000T à 4 261 200T lors de la dernière campagne 2020-2021.

Retour

Comments are closed.