Tetiandrom-pambolena 2021-2022: vaovao tsara ho anareo mpamboly!

Fantatsika ve fa miantraika amin’ny fambolena tokoa ny fiovaovan’ny toetrandro? tsapantsika angamba izany amin’ny alalan’ny fahasimban’ny voly noho ny tondradrano, ny tsy fahatomombanan’ny voa vokatry ny haintany sy ny hafa maro. Araka izany, niara-namolavola tetiandrom-pambolena ho antsika mpamboly ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro, notohanan’ny VIAMO sy PrAda/GIZ. Tanjona manokana ny famolavolana tetiandro araka ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2021-2022 amin’ny fambolena; miaraka amin’ny tolo-kevitra isan-karazany; natao izany mba hahazoantsika mpamboly vokatra tsara kalitao.

Efa nanomboka ny taona 2019 no nisian’ny Tetiandrom-pambolena ary nohavaozina isan-taona izany. Mifototra amin’ny voly vary, katsaka, tsaramaso, voanjo ary sakamalaho ny Tetiandrom-pambolena ho an’ity taom-pambolena 2021-2022 ity.

Tsara ny manamarika fa mamokatra vinavinan’ny taom-pahavaratra hatrany ny Foibe Famantarana ny Toetry ny andro isaky ny fiandohan’ny fahavaratra ary voakasik’izany avokoa ny faritra rehetra manerana ny nosy. Izany vinavina izany no nampifandraisina tamin’ny atontam-baovao momba ny fambolena ka nahafahana nananganana ny tetiandrom-pambolena.

Navoaka tamin’ny fomba ôfisialy ny 23 Novambra 2021 tao amin’ny IBIS Ankorondrano ny Tetiandrom-pambolena 2021-2022. Ho amin’ity taom-pambolena ity dia natao tamin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay ny Tetiandrom-pambolena. Afaka misitraka izany avokoa izay liana rehetra.

Fantaro ihany koa fa efa azo renesina ao amin’ny Tolotra mandroso 3-2-1 ny Tetiandrom-pambolena. Raha hisitraka izany:

  • Antsoy maimaimpoana ny 321 raha mampiasa Airtel na antsoy amin’ny taham-piantsoana mahazatra ny 033 33 00 321 raha mampiasa tambazotra hafa ianao.
  • Safidio ny 1: henoy ao ireo torohevitra momba ny fambolena
  • Safidio ny 8 : henoy ao ireo torohevitra momba ny toetrandro sy tetiandrom-pambolena
  • Araho ny toromarika rehetra voalaza ao.

Soava ny fambolena é!

Calendriers culturaux 2021-2022 : une bonne nouvelle pour vous les agriculteurs !

Saviez-vous que la variabilité climatique affecte l’agriculture à Madagascar ?  Comme exemple les dommages aux cultures dus aux inondations, les mauvaises récoltes à cause de la sécheresse et bien d’autres également. Ainsi, le Ministère des Transports et de la Météorologie (MTM) à travers la Direction Générale de la Météorologie (DGM), en partenariat avec VIAMO et PrAda/GIZ se sont concertés pour vous proposer des calendriers culturaux. L’objectif spécifique est de concevoir des calendriers pour les cultures selon les perspectives climatiques 2021-2022 avec diverses propositions et conseils ; le but est d’obtenir des produits de bonne qualité pour vous les agriculteurs.

Les Calendriers culturaux existent depuis 2019 et sont mis à jour annuellement. Cette année, les calendriers sont basés sur les spéculations suivantes : le riz, le maïs, le haricot, l’arachide et le gingembre.

Il est à noter qu’à chaque début de la saison pluvieuse, la DGM diffuse des perspectives climatiques pour tout le territoire de Madagascar. Ces prévisions, combinées à d’autres informations agricoles vont par la suite être transformées en calendriers culturaux.

Le lancement officiel des Calendriers Culturaux 2021-2022 a lieu le 23 novembre 2021 à IBIS Ankorondrano.

Pour cette année, les Calendriers sont disponibles en deux langues : en Malagasy officiel et en Français. Les calendriers culturaux électroniques pour la campagne agricole 2021-2022 sont désormais disponibles auprès des entités concernées cités ci-dessus.

Les calendriers culturaux sont disponibles également sur le Service 3-2-1 dont voici le guide d’utilisation :

  • Appelez gratuitement le 321 pour les utilisateurs de l’opérateur Airtel ou appelez à un tarif d’appel normal le 033 33 00 321 pour ceux qui utilisent d’autres opérateurs mobiles.
  • Choisissez 1 pour écouter le thème sur l’agriculture et les Calendriers Culturaux
  • Choisissez 8 pour écouter le thème sur la météo et les Calendriers Culturaux
  • Suivez toutes les instructions qui y sont données.

Bon récolte à vous !

Retour

Comments are closed.