Fampitomboana ny voka-bary ao Vohipeno: napetraka ny vatofototry ny paompin-drano ao Vatomasina sy Ivato

49 taona nijaliana rano ireo tantsaha ao Vohipeno, faritra Fitovinany noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa fifehezana ny rano. Hivaha ny olana afaka enimbolana noho ny tohana entin’ny MINAE amin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, izay vatsian’ny FIDA vola ka afaka mamokatra vary in-2 na in-3 ireo mpamokatra.

Tanim-bary mirefy 375 ha ao amin’ny lemak’Ivato no ho voatondraka ary tokantrano miisa 770 no hisitraka ny asa fametrahana paompin-drano miisa 3 sy ny fanamboarana ny lakan-drano mirefy 7km ao amin’ny fokontany Ivato distrikan’I Vohipeno,

Paompin-drano miisa 5 hafa no hapetraka sy lakan-drano mirefy 7,2km no hamboarina entina hanondrahana ny lemak’I Vatomasina, distrikan’I Vohipeno, izay ahitana tanimbary manodidina ny 1000ha ary mamelona tokantrano miisa 2240. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro na “ panneau solaire”izay miisa 500 ireo paompin-drano ireo.

Tanjona ny hampiakarana ny voka-barin’ireo tantsaha sy ny hananan’izy ireo fahaleovan-tena amin’ny seha-pihariany. Hisy ny fampiofanana momba ny teknikam-pamokarana SRI, SRA ary PAPRIZ amin’izany. Hapariaka eo amin’ireo tantsaha ihany koa ny masomboly vary safiotra izay ahazoana voka-bary hatramin’ny 10T/ha.

Notanterahina ny 02 novambra 2021 ny fametrahana ny vatofototry ny paompin-drano izay natrehan’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Fitovinany RAZAFITSOTRA Lucien Laurel, ny Mpandrindra Nasionaly ny fandaharanasa DEFIS, RANDRIANARITIANA Pierrot Serge, ireo Ampanjaka olobe izay nanometso-drano, ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Vatovavy Fitovinany RAVELOMANDEHA Farasoa, Andriamatoa RAMANANARIVO Giscard, Ben’ny tananàn’ny Vohipeno, RAHARIMANANA Fréderic Ben’ny tanànan’Ivato, ALIZANY Nosy CIR DEFIS Manakara ary ireo olom-boafidy sy olo-manakaja tao an-toerana.

———————————————————–

AUGMENTATION DE LA PRODUCTION RIZICOLE A VOHIPENO: POSE DE LA PREMIERE PIERRE DES STATIONS DE POMPAGE.

C’est depuis 49 ans que les paysans font face aux problèmes d’irrigation dans le district de Vohipeno, Région de Fitovinany. Le MINAE à travers le programme DEFIS financé par le FIDA apporte son appui à travers la mise en place des stations de pompage et la réhabilitation des canaux d’irrigation.

En effet, 3 stations de pompage et près de 7 km de canaux d’irrigation vont être construites dans le périmètre irrigué d’Ivato permettant une bonne irrigation de 375 ha de rizières appartenant à 770 ménages, ainsi que 5 autres stations de pompage et 7.2 km de canaux d’irrigation à Vatomasina permettant à 2.240 ménages d’exploiter pleinement leurs 1000 ha de rizières.

L’objectif est d’augmenter la production rizicole. Outre la mise en place de ces stations de pompage, des formations sur les techniques rizicoles telles que SRI, SRA et les techniques PAPRIZ seront attribués aux producteurs ainsi que la vulgarisation et la diffusion du riz hybride pour obtenir un rendement de 10T de paddy /ha.

La pose de la première pierre de ces stations de pompage s’est tenue le 02 novembre 2021 dans les 2 fokontany en présence du Gouverneur de la région Fitovinany RAZAFITSOTRA Lucien Laurel, le Coordonnateur National du programme DEFIS RANDRIANARITIANA Pierrot Serge, les Ampanjaka et Olobe, le DRAE Vatovavy et Fitovinany RAVELOMANDEHA Farasoa, le Maire d’Ivato RAHARIMANANA Fréderic, ALIZANY Nosy, CIR DEFIS Manakara, le Maire du Vohipeno RAMANANARIVO Giscard ainsi que les représentants des députés et autorités locales. Après 6 mois, durée des travaux, les riziculteurs peuvent obtenir 2 à 3 récoltes par an.

Retour

Comments are closed.