Vahoaka malagasy ampy sakafo sy salama, afaka mivelona sy mamokatra ho an’ny firenena, ary miady amin’ny valan’aretina

Nosokafana tamin’ ny fomba ofisialy ny 15 oktobra 2021 ny FEPA na ny Tsenaben’ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena. Anatin’izany hetsika izany koa no hankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy tantsaha (15 oktobra 2021), ny Andro maneran-tany ho an’ny sakafo (JMA ny 16 oktobra 2021), ary ny Andro iraisam-pirenena ho famongorana ny fahantrana, ny 17 Oktobra 2021).

Tanjona amin’izany ny fampivondronana ny mpisehatra rehetra amin’ny famokarana mba hiadiana ny tsy fanjarian-tsakafo izay mianjady amin’ny 40% mponina Malagasy, ny hampitombo sy hampivoatra ny famokarana ho fanatrarana ny vina lehibe izay napetraky ny Filoham-pirenena ao amin’ny velirano faha 9 dia ny fahavitantena ara-tsakafo .

Natao ihany koa izao fankalazana izao ho fampahatsiahivana antsika fa tokony hifampitsinjo hatrany isika Malagasy. “Azontsika atao ny miara-misalahy amin’ny asa fanitarana ireo fotodrafitrasam-pamokarana, amin’ny fanapariahana ireo teknikam-pamokarana mahomby. Isika rehetra dia afaka mandray andraikitra hahamatihanina ireo mpamokatra amin’ny alalàn’ireo tosika maro samihafa toy ny hana-pamokarana, torohevitra, famatsiam-bola, lalam-barotra, sns” hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana nandritra ny lahateniny.

Haharitra 3 andro ny FEPA izay tontonsaina eny amin’ny MPE Nanisana ary hahitana tranoheva sy loa-bary andasy mahakasika ny famokarana sy ny fomba famokarana.

“Vahoaka Malagasy ampy sakafo sy salama” no tanjona, ka afaka mivelona sy mamokatra ho an’ny Firenena, ary miady amin’ny valan’aretina.

Cérémonie d’ouverture officielle de la Foire de l’Elevage, de la Pêche et de l’Agriculture FEPA 2021

La cérémonie d’ouverture officielle de la Foire de l’Élevage, de la Pêche et de l’Agriculture (FEPA), la célébration de la Journée Internationale de la Femme Rurale (15 octobre 2021), de la Journée Mondiale de l’Alimentation (JMA) (16 octobre 2021) et de la Journée Internationale pour l’Élimination de la Pauvreté (17 Octobre 2021) s’est tenue le 15 Octobre 2021 dans l’enceinte du (MPE) Malagasy Professionnelle de l’Élevage à Nanisana.

La célébration conjointe de ces trois journées et la réalisation de cet événement économique FEPA est une occasion de mobiliser et fédérer toute les parties prenantes du secteur Agricole dans la lutte contre l’insécurité alimentaire qui touche près de 40% de la population Malagasy et atteindre les objectifs de l’engagement n° 9 du Président de la République de Madagascar qui est l’autosuffisance alimentaire.

Durant son allocution d’ouverture, le Ministre de l’Agriculture et de l’Élevage, Monsieur RAMILISON Harifidy a fait un appel à l’unité pour le développement du secteur Agricole à Madagascar. « Nous devons travailler ensemble pour mettre en place les infrastructures de production et pour diffuser des techniques de production efficaces. Nous devons tous nous engager pour professionnaliser nos producteurs à travers diverses initiatives telles que la production, le conseil, le financement, la commercialisation », a-t-il déclaré.

Cette triple célébration est également une occasion de sensibiliser les citoyens à leur rôle dans la mise en œuvre des engagements que le pays a pris lors du sommet des Nations Unies sur les systèmes alimentaires les 23 et 24 septembre 2021.

La FEPA quant à elle durera trois jours durant lesquels seront organisées des conférences débats et pendant lesquelles les participants issus de diverses régions exposeront leurs produits.

Retour

Comments are closed.