Hampitomboana ny vokatra ronono eto Madagasikara

Taranak’ombivavy be ronono Montbéliarde sy Normande 165 isa izay efa samy mitondra vohoka 5 volana no tonga eto Madagasikara, tetikasan’ny Filoha Andry RAJOELINA, entina manatanteraka ny velirano faha 9 ;  ho fanampiana ireo tanora sy tantsaha mpamokatra sy mpiompy mba hampitomboan’izy ireo ny fidiram-bolany.

Ireo tanora sy tantsaha nahazo ny titre vert ao amin’ny faritry Vakinankaratra no hisitraka ireo andiany voalohany ireo fa mbola hisy ny fanafarana amin’ny alalàn’ny sambo ireo taranaka izay ilain’ny mpiompy sy mifandraika amin’ny filàn’ny tantsaha. Manodidina ny 1000 eo ho eo ny omby hentin’ny sambo iray ary sambo miisa 2 hatramin’ny 4 eo no hafarana no nambarana ny filoham-pirenena. Mamokatra ronono 25litatra hatramin’ny 30 litatra isan’andro ireto karazana ombivavy ireto ary raha voakarakara tsara ny sakafony dia ahazoana hatramin’ny 40 litatra isan’andro.

Tanjona lehibe amin’ny fanafarana ireto karazana ombivavy ireto ny hampiakarana ambony ny tahan’ny famokarana ronono eto Madagasikara satria mbola manafatra ronono manodidina 195 taonina litatra isan-taona isika.

Antenaina araka izany ny hamokarana ronono 4 680 000 litatra fanampiny anatin’ny 5 taona, ka hampiakarana 10% ny fihinànana sakafo be otrik’aina avy amin’ny ronono. Izao andiany voalohany miisa 165 tonga anio izao, moa efa hahazoantsika sahady 490 050 litatra fanampiny anatin’ny taona iray.

Azo antoka fa tsy misy aretina ireo omby ireo.

Tao anatin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena izay takiana amin’ny fanarana omby no nanafarana ireto omby ireto ka tsy ahiana hitondra aretina eto an-toerana: fa nandalo “quarantaine” nandritry ny 1 volana tany amin’ny toerana niaingany, naraha-maso isan’andro ny fahasalamany mba hahafahana mahazo antoka fa tsy hitondra aretina izay mety handripaka ny omby eto Madagasikara. Avy hatrany dia miditra quarantaine ao amin’ny FIFAMANOR Antsirabe mandritry ny 1 volana mahery ihany koa ireo omby ireo, mba hanarahana isan’andro ny fahasalamany mialohan’ny hanaparitahana azy amin’ireo olona efa voafantina hisitraka izany. Tompon’andraikitra feno ny amin’izany ny teknisianina ary efa mivonona amin’ny fitiliana isan-karazany izy ireo mba hiarovana ny biby fiompy eto Madagasikara. Talohan’ny fahatongavan’ireo omby ireo dia efa nisy ny fanofanana ireo teknisianina amin’ny fanaraha-maso akaiky ary mbola hisy ihany koa ny encadrement sy fanofanana azy ireo mba haha mafy orina tsara ny fampiroboroboana ny seha- pihariana ronono.

Teknisianina vahiny efa ampy traikefa no hanao ny tan-tsoroka amin’ny fanaraha-maso ny  omby

Manodidina ny 2,5 tapitrisa ny ombivavy be ronono tao Frantsa efa nokirakirain’ ireo teknisianina vahiny misehatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono ireo. Anisan’ny vokatra azo avy amin’ny ronon’ireo karazan’omby Montbéliarde sy Normande ny fromazy Comté, vokatra malaza ao Frantsa. Karazan’omby tena malaza eto Afrique nandritra ny taona maro toy ny tao Afrika Atsimo, Sénégal, Mali, Cameroun, Burkina Faso ireo karazana ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy manafatra ronono intsony ny ao Cameroun noho ny fisian’ny ronono azo avy amin’ny omby Montbéliarde ary afaka manjifa ronono tsara kalitao ny tanora. Efa nampihofana dokotera mpitsabo biby izay manara-maso ny mpiompy, tao cameroun ihany koa ireo teknisianina vahiny ireo.

AUGMENTER LA PRODUCTION DE LAIT A MADAGASCAR.

Les165 vaches laitières de race Montbéliarde et Normande, toutes en gestation de 5 mois, importées par l’Etat Malagasy sont arrivées à Madagascar le 05 octobre 2021.

A l’initiative du Président de la République, l’importation de ces vaches vise à augmenter la production laitière à Madagascar vu que nous importons encore environ 195 T de lait par an. Elle va  permettre également aux jeunes et aux producteurs d’augmenter leurs revenus. En effet, les vaches de race Montbéliarde et Normande produisent 25 à 30 litre de lait par jour  contre 5 à 7 litre pour les vaches locales. Une production additionnelle  d’environ 490 000 litre de lait est attendue pour cette importation.

Les jeunes et agriculteurs du projet titre vert dans la région du Vakinankaratra sont les bénéficiaires de cette première importation car d’ après les dires du Président de la République d’autres importations plus importantes mais cette fois -ci par voie maritime sera effectué à l’ avenir.

Des vaches indemnes de maladie.

Afin de surveiller et contrôler la santé des vaches importées, ces dernières sont mises en quarantaines au centre FIFAMANOR du MINAE à Andranomanelatra pendant plus d’un mois. Les techniciens de la DSV et du centre FIFAMANOR et ceux qui vont assurer le suivi des animaux auprès des bénéficiaires assureront le déroulement de la quarantaine et vont à la fois suivre une formation sur le suivie de la santé animal, de leur alimentation ainsi que la conduite d’élevage. Cette formation est assurée par deux techniciens français, à la fois éleveurs expérimentés dans le domaine de l’élevage de vache laitière. En effet, ces techniciens ont assuré le suivi de vaches de race montbéliarde importées par d’autres pays d’Afrique tels que le Cameroun, l’Afrique du Sud, le Sénégal et le Mali.

Retour

Comments are closed.