Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny « Titre vert social » ao amin’ ny faritra Atsimo.

Vahaolana entin’ ny  Fitondram-panjakana Malagasy hamerenana indray ireo tokantrano marefo  ara-pivelomana, sy iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ ny faritra Androy sy Anosy ny tetikasa “titre vert”. Izany no natao dia mba ahafahan’ izy ireo miatrika ny kere sy mba hananany farim-piainana araka ny  tokony ho izy ka ahafahany mamokatra ny  filany ara-tsakafo mandritra ny taona.

Notanterahina ny 30 septambra 2021 tao Agnarafaly kaominina Ifotaka, distrika Amboasary atsimo,faritra Anosy ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny « Titre vert social ». Fianakaviana miisa 80 no notoloran’ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA  ny « Titre vert » nandritra ny lanonam-panokafana.

Tany mirefy 1000 m2 izay ahitana trano fonenana efa misy fanaka (fandriana, latabatra, seza) kojakojan-dakozia (fatana, koveta, vilany), tranon’osy, tranon’ akoho, ary toeram-pambolena  ahitana fanondrahana mitsitaitaika avy amin ny forage izay hampiasaina ny herin’ ny masoandro , ary rano fisotro madio, no natolotra ny isam-pianakaviana tamin’ izany. Tanjona  ny ahafahan’ireo tokantrano misitraka sakafo maroloko sy  fidiram-bola amin ‘ny fambolena legioma sy voly ary ny fiompiana haingam-piodina. Marihina fa hisitraka tanteraka ny tany ireo fianakaviana ireo afaka 5 taona.

Hahafahan’ izy ireo manomboka avy hatrany ny asa famokarana dia nomena tosika fameno, fitaovam-pamokarana madinika tohin’ ny angady (2), rateau (1), siny fanondrahana (1), laborety (1), angadin’omby (1) ireo tokantrano ireo, miampy masomboly sorgho sy taho-mangahazo.Osy 10 sy akoho amam-borona kosa no natolotra azy ireo hiangana amin’ ny fiompina.

Tanim-mpanjakana mirefy 250ha no hanatanterahina ny tetikasa  ary fianakaviana miisa 2000 no hisitraka izany. Nandray anjara tamin’ny fanatanterahina izany tetikasa izany ny MINAE sy ireo rantsamangaikany tamin’ny fanolorana ireo fitaovam-pamokarana sy ireo hanam-pamokarana. Hisy iany koa ny fanarahana ireo fianakaviana mandritra ny 6 volana amin ny fomba famokarana sy ny fiompina ary ny fahasalaman’ ny  biby fiompy.

VF

Lancement officiel du programme Titre Vert « Social »

Le programme Titre Vert social dans le sud a été lancé officiellement le 30 septembre 2021 par le Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA. En tout 2000 familles vulnérables, certaines s’étant déplacées d’Ankilimarovatsy et d’autres ayant déjà occupé les lieux d’Agnarafaly, vont occuper et exploiter un site de 250 ha viabilisé à Agnarafaly.

Le grand sud compte aujourd’hui 1 348 000 personnes en proie à la famine. Parmi elles 900 000 personnes sont classées dans les phases 3 et 4 qui correspondent à une situation d’alerte et de famine avancée. Afin de garantir l’autonomie alimentaire, la résilience et une source de revenus pérenne pour ses populations vulnérables, l’Etat Malagasy a mis en place le Projet Titre Vert social figurant parmi les nouveaux projets émergents prioritaires pour le Sud piloté par le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, dans le cadre du Plan émergence Madagascar pour le Sud (PEM SUD) issu du grand colloque régional du 11 au 12 juin 2021.

Une dotation de 1000 m2 de terrain par ménage

L’ Etat Malagasy offre un cadre de vie nouvelle et l’ accès aux moyens de production aux populations qui désormais vont habiter et exploiter des activités d’ élevage et d’ agriculture dans un site nouvellement aménagé avec un système d’ irrigation pérenne et électrification rurale. Outre les appuis techniques chaque ménage bénéficie de :

Une habitation descente, une chèvrerie et un poulailler dans un espace de 200 m2, un champs de culture étendu sur 800 m2, un kit de Système de micro irrigation goutte par goutte, des semences et intrants pour des cultures maraîchères, et des cultures vivrières(sorgho, manioc, patate douce), 10 têtes de chèvres et 5 pour les volailles, des petits matériels agricoles, un accompagnement et une protection sociale de six mois.

Comments are closed.