Ady amin’ ny kere : miroso amin’ nyfandrindrana ireo asa fampandrosoana atao any atsimo.

Ho fanatrarana ny veliranon’ ny filohan ny repoblika amin’ ny fahavitantena ara tsakafo dia hanambatra ny hery amin’ ny fametrahana ny vahaolana maharitra sy ny fototra ahafahana miatrika ny haintany any amin’ ny faritra atsimo Ny fitondram-panjakana malagasy amin’ ny alalan ny #MINAE sy ny #FAO , ny #PAM ary ny #FIDA.

Nisy araka izany ny dinikasa izay niarahan’ ny Ministrin’ ny Fambolena sy ny Fiompina RAMILISON Harifidy sy ny solontena maharitrin’ ny FAO eto Madagasikara Atoa Mbuli Charles BOLIKO ary ny solontenan’ ny PAM eto Madagasikara Dr Aliou DIONGUE ,ny zoma fahatelon’ ny volana septambra 2021 tao Anosy.Tapaka nandritra izany ny hananganana Tetikasa ( Projet Intégré de Sécurité Alimentaire dans le Sud ) mba hiadiana maharitra amin’ny fiantraikan’ny hain-tany izay mahatonga ny fahantrana sy ny Kere miverimberina any amin’iny Faritra atsimo iny, mbola hisy ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ ny efa-tonta hamaritana ny andraikitrin’ ny tsirairay mahakasika ny tetikasa izay hapetraka .

Voaresaka ihany koa ny hananganana ny Banky ny sakafo sy ny bankin’ ny masomboly sorgho izay efa noheverina fa vahaolana maharitra hoan’ ny fiahiana ara tsakafo any amin’ ny faritra atsimo.

Kere : vers la coordination des actions d’urgence et de developpement dans le grand sud

Un signal fort dans la réalisation du PEM Sud et de l’objectif d’autosuffisance alimentaire à Madagascar. Le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage, avec les trois agences onusiennes FAO, PAM et FIDA, décident d’unir leurs efforts pour casser de manière définitive le cercle vicieux du Kere et de la pauvreté dus à la sècheresse dans les régions du sud. Sous le leadership du Gouvernement à travers le MINAE, un projet intégré de sécurité alimentaire durable pour le sud va être très prochainement mis en place avec un protocole d’accord pour clarifier les rôles et les responsabilités de chaque partie.

A part les actions d’urgence, il est question de mettre en place une banque alimentaire et une banque de semences, de sorgho notamment, afin de renforcer la résilience de la population face aux aléas climatiques.

Telles ont été les résolutions de la concertation de ce vendredi 3 septembre 2021 entre le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Mr Harifidy RAMILISON, le Représentant résident de la FAO à Madagascar, Mr Mbuli Charles BOLIKO et le Représentant-Directeur Pays a.i. du PAM à Madagascar, Dr Aliou DIONGUE, à Anosy.

Retour

Comments are closed.