Hanao soroka miara-milanja hoan’ny fampandrosoana ny faritra atsimo

Hahafahana mamaritra paikady maharitra hiadina amin’ny kere, dia hifanohana ny Faritra Androy sy Anosy ary ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Izany ny vontoatin-dresaka nandritra ny fihaonan’ Atoa RAMILISON Harifidy, Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana tamin’ny Governoran’ireo faritra roa ireo sy ireo tompon’andrakitra isam-paritra ny 12 septambra 2021.

  Hapetraka mazava tsara araka izany ny fototra manome vokatra avy amin’ireo karazam-pambolena maro, tanterahan’ny faritra sy ireo ratsamangaikan’ny ministera ary ireo tetikasany toy ny FORMAPROD, DEFIS, CASEF, AFAFI Sud ary ny PRADA.

Ho jerena manokana ihany koa ny fampiroboroboana ireo sehapihariana mampiavaka ny faritra tsirairay amin’ny alalan’ny famolavolana ny saritany mamaritra ny hery sy tanjaka.

Ho an’ny faritra Androy dia natao laharam-pahamehana ny fametrahana fotodrafitrasa famokarana menaka voanjo, ny fanodinana ny mangahazo hanaovana lafarinina sy Gari, ny fanodinana ny rononon’ osy , ary ny fanomezana lanja ny voan-draketa.Tsy latsa-danja amin izany ny fahafahana mamatsy sakafo ireo mponina ao amin ny faritra atsimo amin’ny fotoanan’ ny kere, ka hapetraka ihany koa ny bankin-tsakafo sy ny bankin’ny masomboly Sorgho sy Mil iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka ny vokatra miakatra ao amin’ny faritra ihany no hamatsiana io bankin- tsakafo io.

————————————-

Le MINAE en collaboration avec les autorités compétentes des régions Androy et Anosy vont unir leurs forces afin de mettre en place une stratégie durable pour lutter contre le Kere et l’insécurité alimentaire dans le grand sud. Telle a été la résolution prise lors de la rencontre entre le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage, Mr RAMILISON Harifidy et les gouverneurs de la région Androy et Anosy le 12 septembre 2021

Cette stratégie consiste à définir une matrice d’intervention en coordonnant les activités de Développement des deux régions avec celles des différents projets sous tutelle du MINAE tels que FORMAPROD, DEFIS, AFAFI Sud, CASEF et PRADA.

Il s’agit également de renforcer les bases productives et exploiter les filières de spécialisation de chaque région selon le concept « One district, one Product » ou « One district One Factory » à partir de la cartographie de potentialité qui sera élaborée par chaque région.

A court terme, le ministère avec les partenaires techniques prévoit pour la région Androy, la mise en place d’une unité d’huilerie d’arachide, d’une unité de laiterie de lait de chèvre, d’une unité de transformation de manioc en Gari et en farine de manioc et envisage la valorisation de fruit de cactus.

En terme d’insécurité alimentaire une banque alimentaire et une banque de semence de mil et de sorgho va être créé, afin de subvenir au besoin de la population durant les cycles de sécheresse.

Retour

Comments are closed.