Sehatry ny veterinera eto Madagasikara : ho azo antoka tsara manomboka izao ny santionana singa alefa eny amin’ny laboratoara

Efa maro ireo firenena manodidina no tratrin’ny aretin’ny biby fiompy toy ny fièvre aphteuse, ny peste des petits ruminants, ny gripam-borona izay mety hifindra amin’ny olombelona, aretina haingam-pifindra ary miteraka fatiantoka goavana ara-toe-karena. Ho fiarovana an’i Madagasikara dia ilaina ny fangalana santionana singa amin’ireo biby hahafantarana ny toe- pahasalamany sy hahafahana misoroka ny aretina mety hitranga aminy.

Nanatontosa atrikasa ny MAEP tamin’ny alalan’ny tetikasa tetikasa STOSAR, vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola amin’ny alalan’ny FAO ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo veterinera eto Madagasikara amin’ny fanangonana sy fitehirizana ary fandefasana ny santionana singa any amin’ny laboratoara veterinera, dia nisy ny atrikasa sy fampiharana mivantana eny an-tsehatra, notanterahin’ny MAEP tamin’ny alalan’ny LNDV momba izany tao Diégo-Suarez ny 03 ka hatramin’ny 06 Aogositra 2021. Veterinera miisa 25 avy amin’ny faritra DIANA, SAVA, Boeny, Sofia ary Betsiboka no
nandray anjara.

Tanjona lehibe amin’ny atrikasa (1) ny hanana santionana singa azo
trandrahan’ny laboratoara araka ny tokony ho izy,(2) ny hahazoana antoka tsara ny voka- pitiliana ka ho vokatra mahafeno ny fenitra no amin’ny tsena.


Ny atrikasa ihany koa dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa STOSAR izay fampiharana ny politikam-paritry ny SADC ho fampandrosoana ny fiompiana sy ny fambolena, tetikasa vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola amin’ny alalan’ny FAO.

Madagascar est actuellement menacée par des maladies animales très contagieuses comme la fièvre aphteuse, la peste des petits ruminants, la grippe aviaire ; des maladies qui causent des pertes économiques pour les pays qui ont déjà été touché.

Ainsi, pour protéger le territoire malagasy, le prélèvement est indispensable pour l’assurance de la santé des animaux et pour prévenir contre les maladies. Afin de renforcer la capacité des vétérinaires malagasy sur la collecte, le stockage et l’envoi des prélèvements dans les laboratoires, le MAEP à travers le projet STOSAR, financé par l’Union Européenne via le FAO, a organisé avec le LNDV un atelier de formation en salle et pratique des vétérinaires sur les prélèvements des animaux à Diego, le 03 au 06 août 2021.


25 Vétérinaires venant de la région Diana, Boeny, Betsiboka, Sofia et SAVA ont été formé durant la formation dont l’objectif est (1) d’assurer que les prélèvements effectués auprès des animaux soient exploitables, (2) la collecte et l’envoi des prélèvements soient plus rapides et (3) les résultats d’analyse soient fiables, tous dans le but de favoriser l’accès aux marchés des produits animaux malagasy.

L’atelier s’inscrit dans le cadre du projet STOSAR, financé par l’Union Européenne à travers le FAO, qui soutient la mise en œuvre de la Politique Agricole Rurale de la SADC. Après la formation, la confiance entre les techniciens vétérinaires et les techniciens du laboratoire, ainsi que la vigilance face aux maladies animales seront renforcé.

Retour

Comments are closed.