MAEP_PROSPERER Boeny: tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny

Manodidina ny 16 000 T isan-taona eo ny vokatra katsaka ao amin’ny faritra Boeny. 2,5t/ha ny taham-bokatr’ireo tantsaha mpamokatra katsaka ao anatin’ny Fikambanana FIAVOTRA, ao Ambohimiatrika, Kaominina Andranomamy, Distrikan’Ambatoboeny, raha 1,5t/ha izany teo aloha, vokatry ny tohana nentin’ny MAEP tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa PROSPERER izay eo ambany fiahiany ary vatsian’ny FIDA vola.

Tohana maro no nomena ireo tantsaha manodidina ny 100 ao anatin’ny Fikambanana FIAVOTRA, dia ny fampiofanana ara-teknika manomboka amin’ny fikarakarana ny masomboly hatramin’ny fiotazana ny vokatra, fanomezana masomboly, fampiofanana momba ny fitantanam-bola mba hahafahana mampandroso ny fikambanana amin’ny ambaindainy, mamantatra ny olana sedrain’ireo mpamokatra ary mitady vahaolana iombonana, manampy amin’ny fitadiavana tsena sy lalam-barotra, manamora ny findraman’ireo mpamokatra vola amin’ny mpampindram-bola madinika, fampihaonana azy ireo ary ny fampiofanana momba ny fandresena lahatra ny mpividy ny vokatra mba hahafahana mifaninana amin’ny tsena. “Nihatsara ny vokatra, efa nahazo omby izahay raha nanofa taloha vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny PROSPERER” hoy Andriamatoa Claude, mpikambana ao amin’ny Fikambanana FIAVOTRA.

Tombony lehibe ho an’ny Fikambanana FIAVOTRA ny fisian’ny orinasa LFL ao Andranomamy, izay misokatra mandavan-taona, mividy ny vokatra; tohana lehibe izay nentin’ny fandaharanasa ihany koa. Mahazo tombony ny mpamboly satria tsy misy ny mpanelanelana eo amin’ny famarotana ny vokatra ary tsy sahirana ihany koa amin’nyfitaterana.

Faritra Boeny : mahavelona ny fambolena « black-eyes »

Anisan’ny rojom-pihariana tohanan’ny MAEP amin’ny alalan’ny fandaharanasa PROSPERER ao amin’ny Faritra Boeny ny “Black eyes”. Manodidina ny 19 500 T isan-taona eo ny vokatra isan-taona. Tantsaha miisa 35 mivondrona anatin’ny Fikambanana MAHAVELONA, ao Beantaly, Fokontany Madiromasina, Kaominina Tsaramandroso, Distrikan’Ambatoboeny no mivelona amin’ny fambolena “black eyes” Masomboly 1,2t no nomena ireo tantsaha hanombohana ny asa fihariana. Mahatratra 30t ny vokatra amin’ny valaran-tany 25ha amin’ny taom-pambolena iray. 54ha ny fitambaran’ny velaran-tany ambolena ary afaka mamokatra indroa isan-taona ny mpamboly. Mahavelona noho izan ny fambolena “black eyes” satria dia mahatratra 3400ar ny hivarotana ny iray kilao.

Efa miara-miasa amin’ny “micro-finance” ireo tantsaha ankehitriny amin’ny fampindramam-bola vokatry ny fanelanelanana nataon’ny fandaharanasa PROSPERER.

Marihina fa efa misy ny “vovonana famokarana lojy mainty maso” ao Mahajanga, izay manatsara sy mandrindra araka ny tokony ho izy ny rojom-pihariana ao amin’ny Faritra Boeny.

Manatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha ao Andranofasika ny fanodinana voankazo

Rojom-pihariana tohanan’ny MAEP amin’ny alalan’ny PROSPERER Faritra Boeny ihany koa ny fanodinana voankazo toy ny manga, mokonazy, sakoa, madilo amin’ny alalan’ny Koperativa VONONA ao Andranofasika, Kaominina Andranofasika. Vehivavy miisa15 no mpikambana ao anatin’ny Koperativa izay misitraka ny tohana toy ny fampiofanana ara-teknika ny fanodinana ny vokatra voankazo “ Dia” any an’ala, ny fampiofanana ny famarotana , ny fifanakalozana, ny fizarana fahaiza-manao ara-barotra, ny fitadiavana lalam-barotra, ny fitantanana sns. Nomena trano lehibe iray ihany koa izy ireo hahafahany mampiroborobo ny asa fihariany. Isan’ny tohana lehibe nomena ny koperativa ihany koa ny fitaovana fanamainana voankazo, ara- pahasalamana sy moderina mitaha amin’ny fanao mahazatra, izay mora ampiasaina amin’ny alalan’ny CDDT na “Centre de Diffusion et de Démonstration Technologie”. Tamin’izany no nahafahana nampiofana tanora miisa 80 hatramin’izao, nizarana ny traikefa sy fahaiza-manao amin’ny tombontsoa fampiasaina izay fitaovana “ fanamainana voankazo” izay.

Tombony lehibe ho an’ny Koperativa ny fananany ny “Certificat de consommabilité”, ny fahafahany mamonjy tsenabe isan-taona ho fampivelarana ny tsena, ny fisian’ny COG (Comité de Gestion) izay manara-maso ny foto-drafitrasa sy ny fikojakojana ny trano, ny fisian’ny GVEC na “Groupement Villageois d’entraide Communautaire”, rafitra natao hitaizana ny mpikambana amin’ny findramam-bola sy ampianarana hanjifa ny “micro finance”, ary indrindra ny fampiofanana ny tanora mba hizarana nyf ahaiza-manao.

Misy ny fivoarana ara-bola sy ny fari-piainana mihitsy ary voaantoka ny fianaran’ny ankizy hoy ireo mpikambana nohon’ny fisian’ny tohana avy amin’ny fandaharanasa.Tanjon’ireo mpikambana ao anaty Koperativa ny hahaleotena ara-barotra. “Azo lazaina fa tratra ny tanjon’ny MAEP tamin’ny alalan’ny PROSPERER tao amin’ny Faritra Boeny dia ny fampiakarana ny fidiram-bolan’ireo tantsaha”, hoy Andriamatoa PAULIN, Mpandrindram-paritry ny PROSPERER Boeny, “nahazo tombony amin’ny fandaharanasa ny mpahazo tombontsoa” hoy hatrany izy.

Teboka iray lehibe mampiavaka ny tetikasa PROSPERER ny fisian’ny rafitra mpandimby toy ny CADI (Centre d’Appui de Développement Intégré) ho an’ny ao Boeny, rafitra izay hanohy ny asan’ny fandaharanasa.

Retour

Comments are closed.