Sehatry ny fiompiana eto Madagasikara : hisy ny paik’ady vaovao hapetraka

Teny filamatra hameloma-maso indray ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara manomboka izao ny hoe « Sehatry ny fiompiana : vato sy kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Madagasiakara ».

Mitana toerana lehibe amin’ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ny fiompiana. Manodidina ny 60%n’ny malagasy hatramin’izao no miankina sy mivelona amin’ny sehatry ny fiompiana, izay sehatra mampidi-bola haingana ary manavanana tokantrano maro. Mbola ambany anefa ny fahafahan’ny malagasy misitraka sy manjifa ny vokatra eo amin’ny lafiny fiompiana eto Madagasikara.

Hahafantarana ny lalana mazava izorana sy hisian’ny fomba fijery mitovy hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana malagasy dia miroso amin’ny fametrahana lamina sy paik’ady vaovao hitantanana io sehatra ion y MAEP amin’ny alalan’ny DGE.

Nisy araka izany ny atrikasa lehibe hamolavolana paik’ady mahomby sy maharitra hitantanana sy hampandrosoana ny sehatr’asa fiompiana, izay nandraisanan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fiompiana toy ny mpiompy madinika, mpamatsy sakafom-biby, mpanodina ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana, anjara, ny 22_24 jolay 2021 tao Antsirabe.

Tanjona lehibe amin’ny fanatanterahana ny atrikasa ny hanatsarana sy hampitomboana ny famoakarana eo amin’ny lafim-pihariana samihafa mifandraika amin’ny fiompiana.

Asa ho tanterahina aorian’ity atrikasa ity ny famoahana ny ambangovangon’ny paik’ady vaovao hitantanana indray ny fiompiana eto Madagasikara, ny famaritana indray ny fampifandrifiana ny ara-panjakana sy ny lalàna mifehy ny fiompiana, ny fametrahana vovonana hifankalozana « intégré et multisectorielle ». Tokony ho resy lahatra ihany koa ny mpisehatra ara-toe-karena rehetra, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, aorian’ny atrikasa, fa mitana andraikitra sy toerana goavana amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara ny fiompiana.

Retour

Comments are closed.