Ilaina ny manana rafitra ara-tsakafo maty paika maharitra sy lovainjafy

 « Vahoaka malagasy ampy sakafo sy salama, noho ny rafitra ara-tsakafo mahomby ho an’ny rehetra, mora miarina ary lovainjafy », Izany no teny filamatry ny  fikaonan-doham-pirenena voalohany momba ny rafitra ara-tsakafo niarahan‘ny MAEP sy ny rafitry ny firenena mikambana eto Madagasikara ary ireo mpiaramiombonantoka izay notontosaina tamin’ ny alalan’ ny atrikasa ampitaindavitra ny alakamisy 08 jolay 2021.

Voamarina anatin’ny fanadihadiana natao fa mbola tsy mamaly ny tanjona ny rafitra ara-tsakafo misy eto Madagasikara . Raha tsiahivina ny voka-panadihadiana natao ny taona 2019 dia faha 114 tamina firenena miisa 117 i Madagasikara raha ny tondro maneran-tany momba ny hanohanana no jerena, ary faha 108 tamina firenena miisa 113 raha ny tondro ankapobeny momba ny fiantohana ara-tsakafo. Ilaina noho izany ny mametraka rafitra ara-tsakafo maty paika maharitra sy lovainjafy hanarenana izany satria dia anisan’ ny tanjona lehibe ho an’ ny fanjakana Malagasy ny ady amin’ ny tsy fanjariantsakafo sy ny fiahiana ara-tsakafo. Notanterahana ity fikaonan-doham-pirenena voalohany momba ny rafitra ara-tsakafo ity hifanakalozan-kevitra sy hanangonana ny hevitr’ ireo mandray anjara avy amin’ ny lafivalon’ ny nosy .

Marihina fa ny rafitra ara-tsakafo dia ireo fitsipika, lamina, teknolojia ary fomba fanao izay mamaritra ny fomba famokarana sakafo, fanodinana azy, fitehirizana, anjifana ary fihinanantsika sakafo, mahasahana ny tontolo androm-piainantsika izany. Voakasik’ izany avokoa ny sokajin’ olona sy ireo lafim-pamokarana rehetra toy ny fambolena, ny fiompina ary ireo endrika famokaran-tsakafo hafa mandrapahatonga any amin’ ny fanjifana azy

Teboka telo no nodinihina sy nifanakalozan’ ireo mpandray anjara, feno fahavitrihina, avy amin’ ny lafy valon’ ny nosy tamin’ ny alalan’ ny tambazotra serasera nandritra izany fotoana izany : dia ny « fampiroboroboana ny fahazoan’ ny rehetra sakafo ampy, maroloko sy mahasalama » « ny fampiroboroboana fanjakana tsara tantana miantoka ny fiveloman’ ny rehetra ary afaka miatrika ny atambo » ary « ny fampiroboroboana famokarana afaka miatrika ny fiovaovan’ ny toetrandro sy miantoka fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary ».

Dingana voalohany no notanterahana tamin’ iny fotoana iny satria mbola hisy ny fihaonana hafa ahafahan’ ireo mpandray anjara maneho ireo hevitra nivoitra nandritra ny fotoana voalohany iny. Marihina moa fa ity fikaonan-doha ity dia natao ihany koa hanomanana ny fihaonana an-tapony manerantany momba ny rafitra ara-tsakafo izay ho tanterahana amin’ ny volana septambra ho avy izao.

Transformer le système alimentaire Malagasy : une priorité pour le MAEP

L’Etat malagasy a fait de la lutte contre la malnutrition et l’insécurité alimentaire une de ses grandes priorités. Aujourd’hui, force est de constater que les systèmes alimentaires nationales est loin de répondre à cette objectif. En effet, en 2019, Madagascar figurait au 114ème rang sur 117 pays selon l’Indice de la faim dans le monde et au 108ème rang sur 113 pays sur l’Indice global de sécurité alimentaire. La sous-alimentation concernait 44% de la population. Ainsi il est donc nécessaire de transformer la structure de la production, améliorer les chaînes d’approvisionnement, et modifier le comportement du consommateur en faveur d’une diversification et d’une fortification du régime alimentaire malagasy.

C’est dans ce contexte que la première concertation nationale sur le système alimentaire a été organisé par le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche  avec l’appui du Système des Nation Unis et ses partenaires, le jeudi 08 février 2021 sous le thème de « Population malagasy bien nourrie et en meilleure santé, grâce à des systèmes alimentaires performants, inclusifs résilients et durable ».

Cet atelier de concertation qui s’est déroulé sur visioconférence avait pour objectif de recueillir les points de vue et contribution de tous les acteurs et citoyens (Administrations, Institutions publique Secteur privé, ONG, Organisation de Producteur, Association de consommateurs…) issus des 22 régions, afin d’élaborer une feuille de route nationale pour aller vers les systèmes alimentaires inclusifs et durables.

 Les participants ont débattu et discuté sur 3 thèmes : la promotion de l’accès à une alimentation diversifiée, saine et nutritive, la promotion d’une gouvernance favorisant des moyens de subsistance équitables et résilients et la promotion d’une production résiliente face au changement climatique et assurant la durabilité des ressources naturelles. Une autre séance de concertation sera organisée par le MAEP afin de consolider les propositions recueillies lors de cette première séance qui s’inscrit également dans le cadre de la préparation du sommet mondial sur les systèmes alimentaires. 

A titre de rappel, les système alimentaires correspondent à l’ ensemble des règles de fonctionnement, des modes d’ organisation, des technologie et de pratique qui déterminent les modes de production, de transformation de conditionnement, de stockage de distribution et de consommation, des biens alimentaires. Ils sont omniprésents dans notre quotidien. Ils touchent tous les aspects de l’existence humaine, concernent tout le monde et tous les processus relatifs à l’agriculture, l’élevage et les autres formes de production des denrées alimentaires jusqu’à leur consommation.

Retour

Comments are closed.