Seha-pihariana katsaka Bongolava: tratra ny tanjon’ny PROSPERER

Tratra ny tanjon’ny fandaharan’asa PROSPERER (Fanohitra) izay eo ambany fiahian’ny MAEP ary vatsian’ny FIDA vola, amin’ny ankapobeny ao amin’ny faritra Bongolava, distrikan’ny Tsiroanomandidy amin’ny seha-pihariana katsaka. Anisan’ny koperativa notohan’ny fandaran’asa ny koperativa TAMBATRA ao Ambodiaviavy, Kaominina Mahasolo sy ny koperativa SANTATRA ao Maroharona, Kaominina Maroharona.

Niakatra hatramin’ny 60-70% ny lentan’ny taham-pamokarana katsaka taorian’ny fanohanana ireo mpikambana anaty koperativa, tamin’ny alalan’ny fampiofanana ara-teknika momba ny famokarana katsaka, ny fanomezana masomboly IRAT 200 sy zezika nohatsaraina, motoculteur, pulvérisateur, fanomezana trano fitehirizam-bokatra mahazaka hatramin’ny 40t,  nanomboka ny taona 2015. Manodidina ny 180t isan-taona ny katsaka vokarin’izy ireo amin’ny velaran-tany 60ha ankehitriny raha 60t izany teo aloha. Tombony lehibe ny fisian’ny trano fitehirizam-bokatra hahafahana mifehy ny vidim-bokatra araka ny fivoaran’ny tsena.

« Hita nihatsara ny fari-piainako, efa nividy tany sy milina fanjairana aho hatramin’ny nanomezan’ny PROSPERER ireo tohana isan-karazany teo amin’ny famokarana katsaka », hoy Ramatoa RAZAFINDRAMANANA Arlette, mpanara-maso ao amin’ny koperativa SANTATRA».

Ho an’Andriamatoa RAFIADANANTSOA Sylvain, mpikambana ao amin’ny koperativa TAMBATRA, dia ny famokarana katsaka no iankinan’ny fianaran’ny ankizy ; ary taorian’ny nahazoany ireo tohana maro no nahafahany nividy moto, tany ary « batterie » sy « plaque solaire ».

Vinan’ireo tantsaha mpamboly katsaka ny hahaleo-tena ara-pamokarana, ny hanitatra  isan-taona ny velaran-tany hambolena ary hampiakatra  hatramin’ny 4.5t/ha ny vokatra. Fanoitra ho an’ny toe-karena ao Bongolava noho izany ny seha-pihariana katsaka.

Retour

Comments are closed.