Faritra Alaotra Mangoro: Ireo tosika hatao amin’ny Tantsaha

Taorian’ny fanombohana ny fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolem-bary 2014 -2015 tany amin’ny Faritra Vakinankaratra dia ny Faritra Alaotra Mangoro indray ny 12 novambra 2014 lasa teo no nanatanterahana ny fanombohana ny taom-pambolena teo anivon’ny Faritra .Ny kaominina ambanivohitra Tanambe, ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola no nanamarihana izany.

Nanome voninahitra ny fotoana ny Ministran’ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny eny Ambanivohitra, Andriamatoa Roland RAVATOMANAGA. Fitaovam-pamokarana ara-pambolena maro samihafa, zezika ary masomboly vary no natolotry ny Minisitera ireo fikambanan’ny tantsaha mpampiasa rano.

Ho fanatsarana sy fampitomboana ny voka-bary dia ho avy tsy hoela ny masomboly vary safiotra (hybrides) an-taoniny maro avy amin’ny fitondram-panjakana Sinoa mialohan’ny faran’ny taona ity.

Fantatra araka ny fanambaran’ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny fampiroboroboana ny eny ambanivohitra Alaotra Mangoro fa vary 50.000 taonina no mivoaka ny faritra isan-taona. Mitrandraka ny karazam-bary « dista » izay mahaliana ny any ivelany indrindra ny Amerikana ihany koa ny faitra ankehitriny. Natomboka nifanindran-dalana tamin’izao ihany koa ny fametrahana ny tetikasa PURSAPS izay manohy ny asan’ny Tetikasa BV-PI teo aloha dia ny fanatsarana ny fambolena sy ireo foto-drafitrasa ary ny fiahiana ara-tsosialy ny mponina noho ny krizy samihafa nandalo teto amintsika.

Source: SIC/SG
Date: 14/11/14

RETOUR

TANTSAHA

Comments are closed.