Tetikasa « e-Phyto» : Fanamarinana nomerika ny fahasalaman’ny zava-maniry

Hanamorana ny fanondranana sy ny fanafarana ireo zava-maniry sy ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry, dia miroso amin’ny fametrahana ny tetikasa e-Phyto i Madagasikara, izay tetikasa miompana amin’ny fanovana ho nomerika ireo taratasy manamarina ny fahasalaman’ ny zava-maniry na ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry ilaina amin’ny varotra iraisam-pirenena.Tetikasa izay novolavolain’ny Comité National de Facilitation des Echanges (CNFE), eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny sampandraharaha jeneralin’ny ladoany, ny MAEP ary ny MICA, izay hetsika maneran-tany iarahana amin’ny CIPV na ny Commission Internationale pour la Protection des Végétaux.

Tanjon’ny tetikasa ny hampiroborobo ny toe-karen’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia moderina sy hisian’ny fifanakalozana ara-barotra azo antoka sy haingana ary hiadina amin’ny kolikoly.

Ny fametrahana ity tetikasa ity dia manampy ireo mpandraharaha eto Madagasikara mifanakalo ny e-Phyto amin’ireo mpiara-miasa aminy amin’ny fomba haingana, amin’ny sarany mirary ary voafaritra mazava. Hiditra amin’ny dingana andrana i Madagasikara afaka 3 na 4 volana, amin’ireo firenena vitsivitsy izay misy fifanakalozana ara-barotra betsaka ary afaka herintaona dia hisandrahaka amin’ny firenena maro ny ephito.

Ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fanondranana sy fanafarana ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry no afaka misitraka ny e-Phyto. Ny alakamisy 18 martsa 2021tao amin’ny hotely Colbert no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa.

e-Phyto : Certificat phytosanitaire numérique

Afin de simplifier les importations et les exportations des végétaux et des produits végétaux à Madagascar, le Comité National de Facilitation des Échanges (CNFE), sous l’égide du Ministère de l’Économie et des Finances, la Direction Générale des Douanes, le MAEP et le MICA, a lancé le projet e-Phyto qui est un système mondial de certificats phytosanitaires électroniques en coopération avec le CIPV (Commission Internationale pour la Protection des Végétaux). Cette numérisation permet d’éliminer le long processus complexe des paperasses, de lutter contre la corruption et rend le commerce plus sûr, plus efficace et plus rapide.

La mise en place de ce projet de numérisation de certificats phytosanitaires requis pour le commerce international des végétaux et des produits végétaux permet aux opérateurs de

Madagascar à échanger électroniquement des e-Phyto avec leurs partenaires commerciaux de manière rapide, précise et à faible coût. Madagascar lance la phase pilote dans 3-4mois, avec les pays ayant plus des échanges commerciaux et l’e-Phyto s’étendra dans les autres pays du monde dans un an.

Les acteurs œuvrant dans l’importation et dans l’exportation des végétaux et des produits végétaux peuvent bénéficier de l’e-Phyto. La cérémonie de lancement officiel du projet a eu lieu à l’hôtel Colbert, le 18 mars à Antananinarenina.

Retour

Comments are closed.