Fanjarian-tsakafo ao amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana : hatomboka ny tetikasa MAHARO

Olona miisa 279 398 avy amin’ny tokantrano 55 880 isa sokajiana ho tena marefo ao amin’ny distrikan’ny Beloha sy Tsihombe, faritra Androy sy ny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana no hisitraka ny Tetikasa MAHARO, haharitra 5 taona, izay mitentina 36 tapitrisa dolara, famatsiam-bolan’ny governemanta amerikanina USAID /Food For Peace amin’ny alàlan’ny CRS (Catholic Relief Service)

Hojeren’ny tetikasa manokana ireo vehivavy bevoka sy mampinono sy ireo tokantrano tena sahirana tantanan’olon-tokana nefa mamelona olona maro ary ny tanora 10-30 taona.

Tanjon’ny tetikasa MAHARO ny hampihena ny tsy fanajrian-tsakafo ao amin’ireo distrika ireo. Ka mpampokatra 25 600 sy mpanjono 2100 ary mpiompy 31 580 no hahazo tohana eo amin’ny sehatrasany avy.

Mpiara miombon’antoka akaiky amin’ny CRS ny MAEP, amin’ny fametrahana teknikam-pamokarana mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro ary mampiakatra ny taham-pamokarana.Nosoniavina anio 11 martsa ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny CRS sy ny MAEP.

Sécurité alimentaire à Androy et Atsimo Andrefana : le projet MAHARO va démarrer

279 398 personnes venant de 55 880 ménages vulnérables dans le district de Beloha et Tsihombe pour la région d’Androy et district d’Ampanihy pour la région d’Atsimo Andrefana vont bénéficier du projet MAHARO, d’une durée de 5 ans, financé par l’USAID/Food For Peace (FFP) d’un montant de 36 millions de dollars.

L’objectif global du projet est de prévenir et de réduire l’insécurité alimentaire et nutritionnelle aiguë pour les ménages vulnérables dépourvus de ressources productives, les ménages dirigés par une seule personne et comprenant plusieurs dépendants, les femmes enceintes et allaitantes et les jeunes de 10 à 30ans.

Le projet va appuyer 25 600 producteurs, 2 100 pêcheurs et 31 580 éleveurs. Le MAEP étant partie prenante dans la mise en place de pratiques agricoles innovantes et durables afin de mieux s’adapter au changement climatique qui sévit dans le Sud du pays. Le protocole d’accord entre le CRS et le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche a été signé à Ampandrianomby ce 11 mars 2021.

Retour

Comments are closed.