Tsy fihinana ny hazandrano “Fano” amin’ny vanim-potoana mafana

Manoloana ny voina nitranga tany Vatomandry vokatry ny fihinanana Fano na « tortue marine» izay niteraka fahafatesan’olona dia nanamafy ny fanentanana ho an’ny mponina ny MAEP tamin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Jono sy ny harena anaty rano(DGPA) mikasika ny  tsy tokony hihinanana ny hazandrano toy ny Fano noho izy mitahiry ireo poizina anaty ranomasina amin’ny vanim-potoana mafana. Nanantateraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety mikasika izany ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny harena anaty rano BEMANAJA Etienne ny 17 Martsa 2021 tao Ampandrianomby.

Araka izany dia tsy handefitra intsony ny fanjakana manoloana ny fihazana, ny famarotana ary ny fihinanana ny Fano satria anisan’ny hazandrano efa ho lany tamingana ihany koa ity karazana hazandrano ity.

Ho an’ny Vatomandry manokana dia efa mandray andraikitra ny fanjakana amin’ny alalan’ny fitetezana fokontany any an-toerana ny amin’ny fanaraha-maso  ny henan’ny Fano izay miparitaka ary fanentanana ny olona hanantona toeram-pitsaboana ho an’izay efa nihinana izany.

ICAM : Interdiction de consommer les tortues marines.

Compte tenu du récent événement survenu  à Vatomandry, le MAEP à travers la Direction Général de la Pêche et de l’Aquaculture (DGPA) porte à la connaissance de toute la population Malagasy que l’Intoxication par Consommation d’Animaux Marins ou (ICAM) est un fléau qui sévi nos côtes durant la saison chaude. En effet, chaque année, l’ICAM touche plus de 50 familles intoxiquées et plusieurs morts sur les zones côtières de Madagascar. Nombreux produits marins sont toxiques durant la saison chaude comme le hareng, la sardinelle, le requin mais surtout la tortue marine.

Aussi, la DGPA  tient à informer les pêcheurs, les mareyeurs, les collecteurs et les vendeurs de ne pas mettre en vente libre sur le marché ces produits marins dangereux et aux consommateurs de produits halieutiques marines de faire attention et de ne pas acheter ni consommer ces produits au risque d’y laisser la vie.

En ce qui concernant la ville de Vatomandry, le MAEP a pris les mesures nécessaires afin de prévenir de malheureux évènements telles que des séances de sensibilisation sur terrain et le renforcement du contrôle des marchés locaux.

Retour

Comments are closed.