Vonona hiatrika ara-potoana ny « fièvre aphteuse » sy ny « peste des petits ruminants » ny DSV

Areti-mandoza ho an’ ny fiompiana kisoa sy ny ondry aman’osy ny aretina « fièvre aphteuse » sy « peste des petits ruminants ». Manodidina ny 3.5 ka hatramin’ny 10 lavitrisa dolara no mety ho fatiantoka ara-toekarena raha sanatria tafiditra eto Madagasikara ireo aretina ireo.

Madagasikara anefa dia voamarin’ ny OIE efa tamin’ny taona 2018 fa tsy misy aretina « fièvre aphteuse » sy « peste des petits ruminants ». Mba ihazomana izany sata izany dia misy ny paikady maro izay napetrakin’ ny MAEP amin’ ny alalan’ ny Foibem-pitondrana misahana ny fahasalaman’ny biby fiompy (DSV) izay iarahana amin’ ny OIE toy ny fanamafisana sy fiarovana ny sisin-tanin’i Madagasikara amin’ny fanaraha-maso ireo entana avy any amin’ny nosy rahavavy manodidina toy ny avy ao Kaomoro sy ny nosy Maurice.

Tafiditra ao anatin’ izany paikady izany ihany koa ny atrikasa fizarana amin’ ny « fampiarana ny paikady hifehezana ny amin’ ny mety hidiran’ ny aretina « fièvre aphteuse » sy « peste des petits ruminants » eto Madagasikara  nokarakarain’ ny MAEP sy ny FAO ary ny SADC  izay nisoloan’ny tetikasa STOSAR tena, ny 01 mars hatramin’ny 05 mars 2021 tany Mahajanga, Faritra Boeny.

Tanjona ny  fandraisana andraikitr’ireo veterinera ao amin’ny faritra Boeny  amin’ ny  fiarovana sy fitandrovana ny fahasalaman’ ny biby fiompy ary indrindra ny fahavononana ara-potoana sy ara-teknika amin’ny fiantrehana ny aretina raha sanatria tafiditra eto Madagasikara izany. Tsy hijanona fa hitohy any amin’ny faritra hafa izao atrikasa fizarana amin’ny fampiharana ny paikady hifehezana ny amin’ny aretina fievre aphteuse sy peste petits ruminants izao hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ ny DSV

Maintenir à tout prix le statut indemne de la «fièvre aphteuse» et de la «peste des petits ruminants»

La fièvre aphteuse est une maladie virale extrêmement contagieuse des mammifères. Elle touche généralement les artiodactyles ou animaux ayant des sabots fourchus.La fièvre aphteuse et la peste des petits ruminants peuvent entraîner des pertes économiques graves. En effet selon les responsables cette perte pourrait se chiffrer entre 3.5 et 10 milliards de dollars. La fièvre aphteuse est la première maladie pour laquelle l’OIE a établi une liste officielle de pays et de zones indemnes.

Depuis 2018 Madagascar est reconnu par l’OIE comme indemne de la  «fièvre aphteuse» et de la «peste des petits ruminants». Afin de maintenir ce statut, un certain nombre de stratégies et mesures ont été mises en place par le MAEP à travers la Directions des Services Vétérinaires (DSV) en collaboration avec l’OIE dont la rigueur sur respect des normes, l’intensification des contrôles des produits importés d’origine animale et le renforcement de capacité des techniciens nationaux.

C’est dans ce contexte que le MAEP, la FAO et la SADC représenté par projet STOSAR, ont organisé un atelier d’ exercice de simulation sur la mise en œuvre des ripostes en cas de détection de fièvre aphteuse et de pestes de petits ruminants à Madagascar, qui s’est déroulé du 01 mars 2021 au 05 mars 2021 à Mahajanga, Région Boeny.

Cet atelier avait pour objectif de renforcer la capacité des vétérinaires de la région Boeny dans la préparation à la réponse d’urgence sanitaire du pays, de tester le plan d’ intervention zoosanitaire pour la fièvre aphteuse et les procédures opérationnelles associées et de développer d’ avantage la préparation d’ urgence au niveau régionale. A l’issue de cet atelier les vétérinaires de la région Boeny sont préparés à affronter ces genres de maladies. D’autres ateliers régionaux seront organisés prochainement dans d’autres régions de Madagascar.

Retour

Comments are closed.