Fampiroboroboana ny lalam-pihariana Voamaina na « Légumineuse ».

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ ny toe-karena Malagasy ny lalam-pihariana voamaina (legumineuse) toy ny voanemba, tsiasisa, tsaramaso, kabaro… Anisan’ny vokatra misongadina amin’ izany ny lojy na “black eyes”. Manodidina ny 45 000T isan-taona ny lojy ahondrana ary Madagasikara no firenena voalohany mpanondrana izany vokatra izany eran-tany.

Zava-dehibe hoan’ ny Ministeran’ ny Fambolena, ny Fiompina ary ny Jono ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana voamaina noho izay toerany ara-toekarena izay ary mandray anjara feno ihany koa izy amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafon’i Madagasikara.

Anisan’ ny paik’ady anatanterahin’ny MAEP izany, amin’ ny alalan’ny Sampana Miandraikitra ny fiarovana ny voly (DPV), ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fampiasana ny fanafody famonoana ny biby mpanimba ny voly, ny fanatsarana ny rafitra fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo fanafody ireo ary ny fametrahana rafitra hoan’ny fikarohana sy fanavaozana ary fanampariahana ireo fahaiza-manao ara-pamokarana: ny fampiasana ny teknikam-pambolena, fampiasana masomboly voafantina sy nohatsaraina.

Nankalazaina ny 10 febroary 2021 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny legiominezy. Fotoana iray hoan’ ny MAEP sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) ho fampatsiahivana ny mponina ireo tombotsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ ny fihinanana voamaina.

Développer la filière légumineuse.

La filière légumineuse ou grains secs (haricot, lentilles, pois…) occupe une place importante dans l’économie Malagasy. Le black eyes est considéré comme produit phare parmi les grains secs et Madagascar en est le premier pays exportateur à hauteur de 45 000 T par an.

Développer la filière légumineuse est donc devenu une priorité pour le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) afin de pouvoir assurer la sécurité alimentaire de la population et de parvenir à l’autosuffisance alimentaire.

Pour promouvoir la filière, le MAEP à travers la Direction de la Protection des Végétaux (DPV) a développé une stratégie. Il s’agit donc d’améliorer la structuration de la filière, d’améliorer les réglementations sur l’utilisation des pesticides à travers des mesures incitatives sur l’homologation, la vente et surtout l’utilisation de produits alternatives aux pesticides, de renforcer le système de contrôle des pesticides et de mettre en place un programme de recherche/innovation et vulgarisation des bonnes pratiques agricoles à travers la diffusion des techniques modernes de culture et l’ utilisation de semences améliorées et certifiées.

La journée internationale des légumineuses a été célébrée le 10 février 2021. C’était l’occasion Pour le MAEP et l’ Organisation des Nations Unies pour l’Alimentation et l’Agriculture (FAO) de rappeler et de mettre en lumière les bienfaits nutritionnels des légumineuses et la contribution de ceux-ci a des systèmes alimentaires durables, et a un monde libéré de la faim.

Retour

Comments are closed.